Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Jona, 2016
Melohan'ny Fitsaràna Indiana Ny Biraon'ny Horonantsary Noho Ny ‘Fanivanany’ Sarimihetsika Miresaka Fihinanana Rongony
Miaraka amin'ireo tranganà sivana maro sy fibahanana mikendry ny 'fahalalahana miteny', misikina ireo fomba rehetra amin'ny fanandramana ny hamoaka ny horonantsary Bollywood, tsy asiana fanatapahana goavana.
Tanzaniana Iray Notoriana Noho Ny ‘Fanevatevana’ Ny Filoha Tao Amin'ny WhatsApp
Mulokozi no olona tratra farany tao Tanzania tamin'ny fandikana ny Lalàna vaovaon'ny heloka an-tserasera, izay miezaka hamaha ny olana toy ny sary mamoafadin'ny zaza , ny fandrahonana amin'ny aterineto, ny fisolokiana an-tserasera , fakana tsy ara-dalàna ny fifandraisana, sy ny famoahana vaovao tsy marina
Tsy Misy Firenena Ho An'ny Fampihomehezana? Manenjika Ilay Indiana Mpanao Hatsikana Amin'ny Lahatsary Snapchat Ireo Mpanao Politika
Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ary nandrahona an'ilay mpanao hatsikana, noho ny nandefasany lahatsary mananihany miresaka ireo Indiana olo-malaza roa ireo antoko politika avy amin'ny elatra havanana Indiana.
Miresaka Fahalalaham-Pitenenana Amin'ny Alalan'ny Mini-Video Ny Tanora Makedoniana
"Ny zava-dehibe tokony ho takatry ny tanora dia ny tsy hamelanao azy ireo hikombom-bava, amin'izay fomba hanaovanao azy."
Mpanao Gazety Mpivady Voatafika Tao Makassar, Indonezia
Mpitranga ao Indonezia ny famelezana mpanao gazety. Tsy misy mpitatitra amin'ny fampitam-baovao ny fanafihana toy izao ary afaka tsy mahazo fanasaziana matetika ireo mpanafika.
Bilaogera Notorian'ny Bankim-pirenena ao Kenya Noho Ny Lahatsoratra Bilaogy “Manala-baraka”
Notorian'ny banky ilay bilaogera mampiady hevitra Cyprian Nyakundi tamin'ity volana ity noho ny andian-dahatsoratra momba ny banky. Mamaritra ny tenany toy ny "bilaogera Kenyana liana amin'ny politika, fitantanana, hosoka amin'ny orinasa sy tantara mahaliana momba ny olombelona i Nyakundi."
Tranonkala Malaza Momba Ny Fanatanjahantena Tao Ozbekistàna; Nikatona Taorian'ny Resabe Teo Amin'ireo Mpankafy
"“Ny baolina kitra sy ny fandraharahan'ny show-biz no hany sehatra amelàna sy andeferana ny fanakianana. Ary ankehitriny, na eto aza, efa atombok'izy ireo ny fanakendàna ny feon'ny olona."
Nofoanan'ny Lancôme Ny Seho An-tsehatra Iarahana Amin'ilay Mpihira Mpandàla Ny Demokrasia , Taorinan'ny Faneren'i Shina
"Raha orinasa iray, noho ny fomba fijery ara-barotra, no manapa-kevitra ny hanao fanivanana samirery mihoapampana toy izany, mahatonga tahotra eo amin'ny fiarahamonina ihany koa izany, ary mandrisika ny fitondrantena tsy misy antony ataon'ny mpanao jadona."
Inona No Niteraka ilay Korontana Tany Yan Zhou?: Misongadina Ny Tsy Fahampian'ny Fampahalalam-baovao Any Shina
"Nanjary zazalahy tsara fanahy izay niezaka ny hampitsahatra ady ilay mpaka an-keriny [ ... ] Iza no jamba? Ny olona avy any Yan Zhou sa ny mediam-panjakana?"
Bilaogera Rosiana Nosamborina Rehefa Nanampy Mpanao Gazety Amerikana Nanao Tatitra Resaka Fananana Mifaka Olaimpika Tao Sochi
Nosamborina raha mbola teo amperinasa niaraka tamin'ny ekipa mpilalao sarimihetsika HBO i Aleksandr Valov ,bilaogera sady mpanao gazety Rosiana no tonian-dahatsoratry ny tranonkala BlogSochi