Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Avrily, 2019
Nandà Ny Fidiran'I Chelsea Manning i Aostralia Raha Nanome Fahazoandàlana Kosa I Nouvelle Zélande
"Milamina tsara ireo mpihantsy sy ny mpanavakavaka toa an'i Lauren Southern sy Milo, saingy ny mahery fo tahaka an'i Chelsea Manning no heverina ho toy ny loza mitatao.".
Mampanontany ny fepetra noraisin'ny governemanta Sri Lankey taorian'ny daroka baomba tamin'ny Paska: Manampy ny media sosialy sa manimba?
Ny fanapahan-kevitra haingana hanakana ny fidirana amin'ireo sehatra ireo dia milaza fa, amin'ny governemanta Sri-Lankey, mety hanampy trotraka ny fiharatsian'ny toe-draharaha ireo sehatra media sosialy ireo.
Raràn'i India ny TikTok an'i Shina fa “manimba kolontsaina sy mandrisika pôrnôgrafia”
Noraràna ny olona ao India tsy hitroka ny TikTok, fampiasa iray miorina ao Shina malaza hizaràna lahatsary haingana.
Maoritaniàna Bilaogera .Miatrika Fanenjehana ho Nanala Baraka Tamin'ny Filazàna Kolikoly
Nampangain'ny Minisiteram-bahoaka ireo blaogera roa ho nanaparitaka an'izay lazainy fa tatitra "diso" mikasika ny fisiana kolikoly maha-voarohirohy ny filoham-pirenena Maoritaniana.
Mamelively mpianatra lisea iray mitsikera ny governemanta ny fampitam-baovao mpanohana ny fanjakana Hongroà
Niaritra fanaratsiana amin'ny fahaizany sy iharan'ny fanohintohinana ara-nofo mihitsy aza i Nagy, tamin'ny niantsoan'ny sehatra iray azy ho "makorelina".
Mandefa Ireo Zanabolana OneWeb Voalohany Ny Sambondanitra Rosiana Soyuz, Saingy Naraikitry ny Lalàna Maneritery Teto An-tany
Potika sy may ny fanantenan'ireo Rosiana hanana fidirana aterineto tsy misy sivana taorian'ny nametrahan'ireo manampahefana fitsipika hentitra sy fanarahamaso tanteraka ataon'ny governemanta amin'ny tetikasa mpisava làlana fizaràna ny Aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana.
Angatahana ny VPN hanakana ireo tranonkala voaràra, saingy tsy nanaiky ny ankamaroany
Nilaza tamin'ny fanambarana an-gazety ny mpandrindra ny media ao Rosia tamin'ny 28 Martsa fa nandefa taratasy tany amin'ireo mpamatsy VPN miisa10, mangataka azy ireo hanakana ny fidiran'ny mpiserasera amin'ny tranonkala "voaràra" ao Rosia.
“Tsy Afaka Hanitsakitsaka ny Maha-Olona ny Hafa Isika Raha Tsy Efa Nanao Tsinontsinona ny An'ny Tenantsika”
Ny heloka bevava nataon'ireo blaogeran'ny Zone9 dia noho izy ireo sahy miaina ny "Ubuntu". Ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo no ampiroboroboan-dry zareo raha mitaha amin'ny an'ny isam-batan'olona manokana.