Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Febroary, 2021
Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika
Tom Bower no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News, izay noderaina noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tato anatin'ny taona vitsy lasa.
Nosakanan'i Shina ny Clubhouse rehefa niady hevitra momba an'i Xinjiang sy Tiananmen ny mpisera aterineto
Tao anatin'ny fotoana fohy no nandavahan'ny Clubhouse ny Rindrin'Afo Lehibe
Inona no miandry an'i Hong Kong amin'ny 2021?
Fisamborana faobe, fibahanana tranonkala aterineto, fahataperan'ny fahalalàhan'ny fitsaràna, ankoatra ny zavatra hafa, no toa manangasanga ao Hong Kong ho an'ity taona ity.
Nahenan'ny fitsarana saodiana ny sazin'ny dokotera malaza nohazonina hatramin'ny taona 2017
Tsindry tsy mahazatra avy any Etazonia no heverina ho nitarika ho amin'ny famahana haingana ny raharaha Dr Fitaihi, izay nosamborina, nampijaliana ary noraràna tsy mahazo mandeha lavitra hatramin'ny taona 2017.