Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Avrily, 2020
Tranonkala voabahana, fikatonan'ny aterineto, ary fisamborana amin'ny media manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar
Manahy ireo vondrona mpikatroka sy mpandala ny zon'olombelona fa simbaina amin'ny anaran'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana COVID-19 ny fahalalaham-pitenenana.
Lahatsary malaza haingana maneso ny fanandratana an'i Potinina tafahoatra
Nanantona sarintava goavana an'i Potinina tao amin'ny toeram-ponenana marorihana iray tao Moskoa ilay bilaogera rosiana Bashir Dokhov. Avy eo izy nametraka fakantsary handraketana ny fihetsiky ny mponina talanjona nijery izany.
Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy
Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny ilay nitonon-tena ho mpaminany antsoina hoe Joe Williams.
Mitohy amin'ny fanagadrana mpanao gazety ny famoretana ny mpanohitra any Alzeria
Herintaona mahery taorian'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manerana ny firenena tany Alzeria nitakiana ny fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena dia mbola nanohy ny paikadiny amin'ny famoretana ihany ny governemanta mba hampanginana ireo mpitsikera sy mpanao gazety.
Diarin'ny COVID-19 avy any Wuhan : « Tsy tanàna fotsiny no nahiboka, fa koa ny feonay. »
Asehon'ireto diary manokana ireto ny fisarantsarahan'ny olona sy mahalasa azy ireo ho toy ny vongana tsy misy anarany rehefa miaina anaty fanarahana maso sy fifehezana avy any an-tampony