Tarika mpanaraby iraniana mihira hiram-pitiavana ho an'ny Telegram taorian'ny fanakanana azy

“Mpitia Telegram” no hiram-pitiavana Telegram fanarabiana [parôdia], rehefa nosakanan'ny governemanta tsy hampiasa azy ny Iraniana an-tapitrisany.

Nahita ny Tarika mozika Iraniana DasandazBand fa lasa nalaza be tao amin'ny media sosialy ny hiram-pitiavana parôdian'izy ireo vao haingana momba ny fanivanana ny Telegram.

Eritrereto ny tarika Lonely Island (Nosy Manirery) Amerikana, saingy nianatra tao amin'ny Repoblika Islamika an'i Iran ary miresaka lohahevitra iraniana, ary dia ho takatrao ny karazan-kira mahatsikaiky tian'ny DasandazBand atao. Raha tokony ho hira mivantambatana tahaka ny “Vao avy nanao firaisana aho” na  “Ramahasosotra” ity tarika mpihira ity dia miresaka momba ireo olana mampiadihevitra, tahaka ny fitsidiham-paritra miaraka amin'ny vondrona mpinamana izay ahitana vehivavy sy lehilahy amin'ny “Rehefa manana namana mandehandeha mandritra ny tontolo andro ianao, saingy tsy mahita aleha.”

Iray hafa ny “toetry ny Iraniana mivoaka ivelan'i Iran mandritra ny dimy andro”, izay mamazivazy momba ny haitraitra diso rehetra tahaka ny avoakan'ny Iraniana ao amin'ny kaonty media sosialin'izy ireo miaraka amin'ny fahatsapana tafahoatra eo amin'izy ireo fa tsy Iraniana izy ireo.

Rehefa manana namana mandehandeha mandritra ny tontolo andro ianao, saingy tsy mahita aleha ??

_____
Mpanohana: Otaghak

Ny momba ireo Iraniana maro rehefa mandao ny firenena mandritra ny dimy andro izy ireo ?

Ny lahatsarin-kira nalaza avy amin'ny DasandazBand, na izany aza, dia momba ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanivana sehatra saika ampiasan'ireo mpisera aterineto rehetra ao Iran: ny tolotra Telegram fandefasan-kafatra. Ahitana mpiserasera 40 tapitrisa mahery mampiasa ny fampiharana ao Iran ary mampiasa izany amin'ny tanjona marobe tahaka ny fandraharahana, fialam-boly, fifandraisana amin'ny namana sy ny fianakaviana, vaovao, oniversite, asa ary politika.

Namoaka baiko ny fitsarana Iraniana tamin'ny 30 Aprily 2018 mba hanakatonana ny Telegram noho ny antony fiarovam-pirenena, fanapahan-kevitra izay toa noho ireo sehatra nahitana ny fandraisany anjara nandritra ny fihetsiketseham-panoherana tamin'ny Janoary 2018. Antony hafa nolazaina fa nahatonga ny baiko ny tsy fahombiazan'ny Telegram hamindra ny lohamiliny ao Iran ho fanajana ny lalàna Iraniana – izany hoe, mety mahatonga ny angon-drakitr'ireo mpiseraserany Iraniana hidiran'ny manampahefana – ary koa ny fandavany tsy hiara-hiasa amin'ny manampahefana Iraniana mba hampiharan-dalàna ny votoaty ao amin'ny sehatra.

Navoakan'ny tarika tao amin'ny fantson'izy ireo Telegram tamin'ny 8 Mey, andro vitsy taoriana ny lahatsary. Ao Iran no misy ny DasandazBand ary manana fantsona ao amin'ny Aparat mpampiantrano lahatsary Iraniana izy ireo (efa voasakana ny YouTube ao Iran), ny Aparat dia sehatra manaja ny toro-lalana ara-politika sy ara-maoralin'ny Repoblika Islamika ary noho izany, mpanivana votoaty. Zava-dehibe, noho izany, raha tsy nampiseho ny lahatsary mozika telegram tao amin'ny Aparat ny DasandazBand, fa tao amin'ny kaontin'izy ireo Twitter sy Telegram ihany – sehatra roa izay samy nosakanana ao Iran ankehitriny.

? Mpitia Telegram ??@durov@telegram #filter #Telegram #filtering_Telegram 

Mivazivazy ny fanivanana Telegram ataon'ny governemanta sy ny fikasan'izy ireo hahazo Iraniana hampiasa ny sehatra Soroush novolavolain'ny governemanta ny tononkira.

One day you came along and asked me to stay with you, and you promised you'll stay forever too. Now you're not around for me to tell you this, that someone wants to take your place with the name of Soroush.

They say he has everything you have and you'll not be missed that much but everyday I think of you and the walls that separate us, oh Telegram.

Just when I was relying on you, you were suddenly blocked and gone and all I have left is this VPN, that's the only bridge between you and I.

I remember all our groups and memories, what am I going to do with your stickers?

You were with me through all these years, now how can I install Soroush while you still linger?

Indray andro, tonga ianao ary nangataka tamiko mba hijanona miaraka aminao, ary nampanantena fa hijanona mandrakizay ihany koa ianao. Ankehitriny, tsy tazako ianao mba hilazako hoe misy olona te haka ny toerana amin'ny anarana hoe Soroush.

Milaza izy ireo fa manana ny zavatra rehetra anananao ary tsy ho alahelovana ianao, saingy isan'andro, mieritreritra anao sy ny rindrina mampisaraka antsika aho, oh Telegram.

Raha vao niankina taminao aho, dia nosakanana tampoka ianao ary lasa ka ity VPN ity sisa no tavela eto amiko, izay hany tetezana eo amiko sy ianao.

Tsaroako ireo vondrontsika sy ny fahatsiarovantsika rehetra, inona no ho ataoko amin'ireo taratasinao apetaka (rindrina raha amin'ny Facebook?)?

Niaraka tamiko ianao nandritra ny taona maro, ankehitriny, ahoana no ahafahako mametraka ny Soroush raha mbola miandry ianao?

Tao amin'ny Telegram, nahazo mpijery maherin'ny 40.000 ny an'arivony kely nanaraka ny DasandazBand ary niparitaka sy noresahana be tao amin'ny Twitter ihany koa.

Nilaza ny fepetra avy amin'ny Oniversiten'ny Labs ara-tsosialy ao Tehran sy ny Google App store ao Iran fa na dia voasivana aza ny Telegram, miha-mahita fitaovana mahomby hialàna amin'izany hatrany ny Iraniana mba hidirana amin'ny fampiharana. Raha nihena ny fampiasana ny Telegram tamin'ny nanivanana azy voalohany tamin'ny 30 Aprily, nampiseho ny herinandro lasa fa miha miverina tsikelikely amin'ny teo aloha ny fampiasana azy ao Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.