Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Marsa, 2021
Noraràn'ny Pakistan fanindroany ny TikTok
Nobahanana nandritra ny 10 andro ny TikTok tamin'ny Oktobra 2020. Naverina ny fidirana taminy rehefa nanome toky ny manampahefana ny orinasa renin'ny fampiasa ByteDance fa homena vahana ny fanalefahana.
Namela heloka ny lehilahy roa naniratsira azy tamina horonantsary niparitaka be ny filoha Mozambikana
Nosamborina ny iray tamin'izy ireo ary niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ilay raharaha.
Mety ho voabahana tanteraka ao Rosia ny Twitter amin'ny volana ambony
Raha manohy tsy miraharaha ny fangatahany hanalàna anaty tambajotra ireo votoaty lazainy fa tsy ara-dalàna ny Twitter, dia nilaza ny Roskomnadzor fa efa niomanany ny hibahana tanteraka ny tolotra
Fahalalahana an-gazety ao Jammu sy Kashmir: resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Anuradha Bhasin
Niantsafa tamin'i Anuradha Bhasin, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Daily Kashmir Times ilay mpampita vaovaon'ny VideoVolunteers Basharat Amin, mba hamantarana ny zava-misy ankehitriny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Jammu sy Kashmir.
Nampiditra volavolan-dalàna “henjana” momba ny fiarovana amin'ny aterineto ao anatin'ny hetsi-panoherana mafana manohitra ny fanonganam-panjakana i Myanmar
"Azo heverina fa ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto sy ny fandrarana ireo tambajotra sosialy no tena tanjon'ny volavolan-dalàna."