Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Aogositra, 2019
Niteraka adihevitra momba ny fanehoan-kevitra malalaka ny fanamelohana ilay mpanentana amin'ny tambajotra sosialy Tiorka
Miatrika fiampangana ny olo-malaza Tiorka iray ao amin'ny Twitter noho ny fandrisihana ny fandraisana zava-mahadomelina ary niteraka adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.
Valintenin-kalozana amin'ny fampirantian-javakanto mitsapa ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Japana
Nitondra ho any amin'ny fitsikerana ny governemanta, fandrahonana ary farafahakeliny fisamborana olona iray, fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny artista iraisampirenena ary fanontaniana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Japana ilay fampirantiana zavakanto iray mampiady hevitra izay efa nofoanana amin'izao fotoana izao.
Mandrahona ny hanakana an'ireo karatra SIM tsy fanta-tompo ny mpandrindra fifandraisandavitra ao Mozambika
Ny 28 Jona 2019, ao anatin'ny 10 andro no amelan'ny Tomponandraikitry ny Fifandraisana ao Mozambika an'ireo mpandraharaha mba hanaovana ho ara-dalàna ny momba an'ireo rehetra mpampiasa azy ireo.
Frantsay noterena hiala tsiny noho ny nanaovany lahatsary mandrabiraby ny fitondra-miaramila Thailandey
"Tsy mira fankahalana firenena iray mihitsy ny fitsikerana ny governemanta sy ny fitondrana. Tiako i Thailandy, fa ny hany tsy tiako dia ny mpanao didijadona sy ny fanonganam-panjakana ataon'ny miaramila."
Tantaran'i Shina voasivana: Ny tolona hitondrana ny tsiaron'ny fandripahana tao Tiananmen mankany amin'ny hoavy
Amin'ny alalan'ny asakanto, hira ary sary-sy-soratra no anivahan'ny Shinoa mpisera aterineto ny sivan'ny fandripahana tao amin'ny kianjan'ny Tiananmen tamin'ny taona 1989.