Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Septambra, 2017
Manamaivana Ny Famerana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra i Arabia Saodita, Saingy Mbola Voaràra Ny WhatsApp Sy Ny Viber
Taorian'ny sivana goavana nandritra ny efa-taona mahery, nanamaivana ny famerana ny fampiasana ny fampiharana antso antserasera sy ny fandefasan-kafatra (VoIP) amin'ny aterineto i Arabia Saodita.
Voasazy Higadra Herintaona Noho Ny ‘Fitarihana Fihetsiketsehana,’ Nitokona Tsy Hihinan-kanina Ilay Mpanao Gazety Maraokana
Niditra fitokonana tsy hihinan-kanina ilay mpanao gazety Maraokana Hamid El Mahdoui taorian'ny nampiakaran'ny fitsaràna ambony herintaona ny saziny an-tranomaizina.
Manasazy Kabarim-pankahalana Ny Lalàna Vaovaon'ny Media Sosialy Ao Alemaina
Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Mpanao Gazety Voampanga ho Nanala-baraka Noho Ny Fampitahana Ny Fitondran'ny Indoneziana Ny Papoaziana Tandrefana Amin'ny Rohingya Any Myanmar
Namoaka ny fanehoan-keviny tao amin'ny Facebook i Dandhy taorian'ny fihetsiketsehana goavana nokarakarain'ny vondrona Miozolomana ao Indonezia, manameloka ny governemantan'i Myanmar noho ny fitondrany ireo mpitsoa-ponenana Rohingya.
Manampahefan'ny Fampilezampeo Any Thailandy Manakana Ny Tambajotran'ny Fahitalavitra Iray Niantso Ny Lehiben'ny Tafika Ho Mpanao Didy Jadona
"Nanasazy ny fampilezam-peo iray manontolo ilay didy, anisan'izany ireo fandaharana rehetra na inona na inona votoatiny, ary koa ny mpiasa rehetra na inona na inona andraikiny."
Nikatona ny Cambodia Daily Rehefa Nandrahona Azy Hampandoa Hetra Mihoa-Pampana ny Governemanta
"Nanary ny endrika manandanjan'ny fimaroan'ny fampitam-baovao ao amin'ny ny Fitondrana Entim-Panjaka. Nanary ny kianja fanazarantenan'ny mpanao gazety Khmer. Nanary ny jirobe iray fahazavan'ny fahalalaham-pitenenana."
Nanakatona Seha-Baovao Miisa Enina i Kambôdza
"Hita fa mampiasa fanasarotana ara-teknika ampifanarahana amin'ny lalàna ny governemanta kambôjiana hanafenany ny tena tanjona hampanginana ireo feo mahaleotena."