Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Marsa, 2019
Nahoana ny Repoblika Islamika no matahotra an'i Nasrin Sotoudeh?
"Manafintohina", "tsy rariny", "devoly" sy "henatra mitabataba" no anisan'ireo teny nolazain'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy Iraniana maro ao amin'ny media sosialy momba ny fandrenesena ny vaovao manafintohina fa voasazy higadra 38 taona an-tranomaizina sy kapoka karavasy in-148 i Nasrin Sotoudeh, Iraniana malaza mpiaro ny zon'olombelona.
Nandroaka mpiasa ambony tao amin'ny orinasan'ny fifandraisan-davitra MTN i Oganda noho izy ireo lazaina fa mitsikilo
Nanamafy i Namaye fa natao fanadihadiana izy roa ireo nandritra ny "fotoana fohy" ary noroahana satria "nihevitra izahay nandritra ny fanadihadiana fa raha mbola mijanona [ao Oganda] ry zareo, dia mety hiteraka.... olana sy fahasahiranana bebe kokoa."
Nosamborin'i Samoa ilay bilaogera ‘King Faipopo’ voampanga ho nanala baraka ny praiminisitra

Nosamborin'ny polisy Samoanina ilay bilaogera monina any Aostralia, Malele Paulo tamin'ny 8 Febroary raha nitsidika ny firenena hanatrika ny fandevenana ny reniny. Malele dia mpitsikera fanta-daza ny governemanta izay manoratra amin'ny anarana hoe King Faipopo.