Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Novambra, 2019
Melaneziàna mpanao gazety, miampanga ny loza mitatao tsy mitsaha-mitombo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
"Tsy azon'ny governemanta melaneziàna ny mody manaja ireo fifanarahana iraisampirenena sy ireo firotsahany amin'ny resaka fahalalahana demaokratika no sady, mandritra izany fotoana izany, manome baiko hametrahana hisatra amin'ny zon'ireo mpanao gazety mba tsy ho afaka hiteny.."
Anatin'ny fibahanana ny aterineto ao Kashmir: Tatitra an-dahatsary niarahana tamin'ireo Kashmiri mpianatra idonan'ilay krizy
Anatin'ny fanapahana tanteraka ny aterineto ao amin'ny faritra no hiatrehan'ireo 48.000 mpianatra amin'ny kolejy ao Kashmir ny fanadinam-panjakana
Noraràna tsy hiditra tamin'ny resaka nataon'i Poutine tao Budapest ny sasany tamin'ireo vahiny mpanao gazety
Ity tantara ity dia navoaka tao amin'ny Atlatszo, sampanasa iray mpanadihady an'ny asa fanaovangazety hongroà, .Ny dika omena eto ambany dia tafiditra ao anatin'ny fiarahana miasa amin'ny Global Voices. Toy...
Vondrompiarahamonina sivily miisa 130 miantso ny tafika hanaisotra ny fiampangàna ny olontsotra
"Mpiasan'ny governemanta ireo miaramila. Raha manao ny tsy mety ry zareo, zon'ny olompirenena ny milaza izany. Zon'ny olompirenena ny mampiakatra ny feony”
Mitohy ny fanakanan'i Iran ny tolotra iraisam-pirenena amin'ny fandraràna ny Google Play
Mifanaraka amin'ny paikadin'ny manampahefana izay manery ireo mpisera Iraniana hampiasa ny fampiasa sy ny tolotra ao an-toearana ary mametra ny fahazoana mampiasa ny tolotra iraisam-pirenena ny fanapahan-kevitra hanakana ny Google Play.
Miatrika fanadihadiana ilay mpanoratra Maleziana rehefa avy namoaka boky momba ny fanapaha-keviny tsy hitafy hijab
"Zava-dehibe ho antsika ny mampahatsiahy ny governemanta fa tsy heloka ny fahalalahana maneho hevitra ary tsy fanevatevana ny Islamo ny fahalalahana ara-pinoana."
Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’
Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.
Atsaharo ny tsimatimanota, alalaho ny fanehoankevitra!
Tsy afa-misaraka ny zontsika haneho hevitra sy ny zontsika hahazo vaovao, ary samy mitombo hatrany ny fanafihana azy roa ireo. Ankalazaina ny 2 Novambra ny Andro Iraisam-pirenena natao Hanatsaharana ny Tsimatimanota ho an'ireo Heloka bevava atao amin'ny Mpanaogazety.