Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Navoakan'ny fikarohana ny fisian'ny fanentanana nomerika misompatra ireo mpiaro ny zon'olombelona Pakistaney

Fanafihana Phishing (fanjonoana ampitaka). Sary avy amin'i Tumisu tao amin'ny Pixabay. CC0.

Nahatsikaritra ireo mpikaroka momba ny fiarovana ny aterineto (Cybersecurity) fa misy rindrambaiko fitsikilovana ara-barotra nampiasaina hisovohana ao amin'ireo vondrom-piarahamonina mpikatroka ao Pakistana.

Ny tatitra tamin'ny May 2018 avy amin'ny Amnesty International, dia mamaritra ny fomba fiasan'ireo kaonty ratsy saina amin'ireo mpikatroka ary mamitaka azy ireo amin'ny fitrohana rindrambaiko mpisompatra izay afaka mitsikilo azy ireo amin'ny alalan'ny finday sy ny solosain'izy ireo.  Namoaka fikarohana tahaka izany ihany koa ny Lookout, orinasa momba ny fiarovana antserasera.

Anna Neistat, talen'ny fikarohana ao amin'ny Amnesty nisioka hoe:

Niatrika fampitahorana sy fandrahonana amin'ny endriny vaovao amin'ny alalan'ny findain'izy ireo sy ny solosain'izy ireo ny #HRDs ao Pakistan. Ny tatitra avy amin'ny @amnesty dia mampiseho fanentanana tsy tapaka ataon'ireo kaonty media sosialy hosoka, phishing (fanjonoana am-pitaka), fanafihana amin'ny alalan'ny rindrambaiko fisomparana sy rindrambaiko fitsikilovana atao amin'ireo mpikatroka.

Mpikaroka momba ny zon'olombelona sady Tale Mpanatanteraka ao amin'ny @EquidemResearch, Mustafa Qadri nisioka hoe:

Vaovao. tatitry ny @amnesty, Eo ambany fanaraha-maso ny Zon'olombelona: Mampiseho ny fandrahonana nomerika an'ireo mpiaro ny zon'olombelona ao Pakistana fa mampiasa anarana antserasera hosoka, kaonty media sosialy hosoka ireo mpanafika mba hamandrihana ireo mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny aterineto amin'ny fanaraha-maso, heloka antserasera

Nahatsikaritra tambajotra kaonty media sosialy hosoka mampiasa “hankingan-tsaina ara-tsosialy” mba hahazoana mifanakaiky amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona, ​​manafika ny fitaovan'izy ireo amin'ny rindrambaiko mpisompatra sy hahazo ny mailaka sy ny fahazoan-dàlana media sosialin'izy ireo ny tatitry ny Amnesty.

Milaza ny tatitra fa nampiasa rindrambaiko fanaraha-maso roa karazany farafahakeliny ireo mpanafika , ny iray fantatra amin'ny anarana hoe rindrambaiko Crimson, ary ny iray hafa StealthAgent.

Ny rindrambaiko mpitsikilo amin'ny Android, sy ny StealthAgent dia afaka miditra mihaino antso an-tariby sy hafatra, mangalatra sary, ary manara-maso ny toerana misy ireo olona kendrena raha vao tafapetraka ao amin'ny finday Android-n'ny lasibatra ny rindrambaiko. Mihevitra ny Amnesty fa natao ho an'ny mpanafika izany, saingy mety ho avy amin'ny kaody ara-teknika amin'ny rindrambaiko fitsikilovana ara-barotra antsoina hoe TheOneSpy, izay an'ny orinasa Aostraliana Ox-I-Gen. Amidy toy ny fitaovana ho an'ny ray aman-dreny mba hanaraha-maso ny zavatra ataon'ny zanak'izy ireo amin'ny finday ny TheOneSpy.

Manasongadina ny tantaran'i Diep Saeeda, mpikatroka fanta-daza iray avy any atsinanan'i Lahore izay lasa lasibatry ny fanentanana fanaraha-maso tsy tapaka sy voarindra ny tatitra

Nandray anjara tamin'ny Aman ki Asha, tetikasa hitondra fandriampahalemana eo amin'i India sy Pakistana i Saeeda. Ny 2 Desambra 2017, niharan'ny fanjavonana noterena ny iray amin'ireo namany, Raza Mehmood Khan, mpikatroka ho amin'ny fandriampahalemana izay niezaka hampitambatra ny olona avy any India sy Pakistana amin'ny alàlan'ny hetsika tahaka ny fanoratana taratasy.

Araka ny filazan'ny Amnesty, nifandray tamin'i Saeeda tao amin'ny Facebook ny mpampiasa Facebook iray nilaza fa vehivavy Afgana antsoina hoe Sana Halimi monina any Dubai sy miasa ao amin'ny Firenena Mikambana mba hahazoana vaovao momba ilay namany tsy hita, Raza Khan. Nalefan'ny mpandraharahan'ny kaonty tany amin'ny tahiry misy rindrambaiko fisomparana antsoina hoe StealthAgent ny fifandraisany, izay raha sokafana ity rindrambaiko ity, dia mety hahavoa ny findainy.

Nampiasa ny sary famantarana an'i Salwa Gardezi, Pakistaney mpianatra fandraharahana 21 taona avy ao Lahore ny kaonty mitondra ny anaran'i Sana Halimi. Fantatra amin'ny tsikera ataony amin'ny miaramila Pakistaney i Gardezi.

Nametraka fitarainana ofisialy tao amin'ny Birao Federaly Mpanao Famotorana na FIA i Gardezi.

It was very shocking for me because I have no relation or interest in politics or anything like that. It is a very horrifying phase for me to see my face used as Sana Halimi. I’d like to share that I feel physically threatened.

Tena nanaitra ahy izany satria tsy manana fifandraisana na tombontsoa amin'ny politika na zavatra toy izany aho. Fotoana tena mampihoron-koditra ahy ny mahita ny endriko ampiasaina ho Sana Halimi. Te-hizara aho fa mahatsiaro tena voarahona ara-batana.

Tsy tranga vaovao ny fanaraha-maso tsy ara-dalàna ny mpiaro ny zon'olombelona ary mitombo ny fandrahonana mitambesatra amin'izy ireo. Nanjary fitaovana ampiasain'ny fitondrana mpanafay mba hanaraha maso ny hetsika sy ho famoretana ny feon'ny mpanohitra ny fanaraha-maso atao amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena sy ny olon-tsotra .

Tamin'ny taona 2017, navoakan'ny oniversiten'i Lab Citizen ao Toronto ny Nile Phish: fanentanana fanjonoana am-pitaka miely patrana mikendry ny fiarahamonim-pirenena Ejypsiana. Ity tatitra ity dia manoritsoritra ny Nile Phish, fanentanana fanjonoana am-pitaka [phishing] tsy mitsaha-mitombo atao amin'ny fiarahamonim-pirenena Ejiptiana. Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, nanatri-maso izay sokajiana fa “famoretana tsy mbola nisy toy izany“,  amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanohitra i Ejipta. Nampiseho porofo ny fanafihana ireo mpanao gazety, mpikatroka ary mpanohitra ao Emirà Arabo Mitambatra ny tatitra momba ny fikarohana 2016 nataon'io vondrona io ihany .

Nangataka ny fikambanana Amnesty International sy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena eo an-toerana fa, amin'ny maha mpikambana voafidy ao amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona azy, mandidy avy hatrany ny hanaovana fanadihadiana mahaleotena i Pakistana mba hamantarana ireo ao ambadiky ny fanentanana ho fiantohana ny fiarovana ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona, ​​na amin'ny aterineto na ivelan'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.