Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Oktobra, 2018

31 Oktobra 2018

Fehezam-boninkazo mena enina sy tapaka lohana ondrilahy: Fandrahonana ho faty ho an'ny gazety Rosiana tsy miankina iray

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Napetraka teo am-baravaran'ny gazety Novaya Gazeta,  fampahalalam-baovao mahaleotena any Moskoa ireo entana mampatahotra ireo, tamin'ny ezaka mazava handrahona sy hanampim-bava ireo mpanao gazety mpanadihady ao amin'ny gazety.

27 Oktobra 2018

Mampiseho ireo mpikatroka tamin'ny Hetsika Elo sy ilay mpanao sariitatra ara-politika Badiucao ny Herinandron'ny Fahalalaham-pitenenana ao Hong Kong

GV Mpisolovava

Tato anatin'ny taona vitsy, niatrika famoretana henjana ireo Hong Kongers manohana ny zo demokratika sy ny fahaleovantenan'ny faritra.

24 Oktobra 2018

Fifangarona mahafaty: Ny fomba fampiasan'ny governemanta ao MENA ny lalàna mikasika ny heloka an-tambajotra sy ireo rindrambaiko mpijirika mba hikendrena ireo mpikatroka

GV Mpisolovava

Mbola mamorona lalàna mikasika ny heloka an-tambajotra foana nireo governemanta ao amin'ny Gôlfa mba ho toy ny fiarovana tsy ara-drariny nefa eken'ny lalàna natao hikendrena ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona.

Nandefa kasikety ‘Make Wall Great Again’ ilay Shinoa mpanakanto Badiucao, ho fanoherana ny fiverenan'ny orinasa Google ao Shina

GV Mpisolovava

"Tiako hahafantatra ny [Google] fa fahadisoana ny miara-miasa amin'ny sivana ao Shina. Mahamenatra toy ny rindrin'i Trump izany, fa amin'ity indray mitoraka ity dia rindrina tsy hita maso anaty aterineto - ny aroafo lehibe."

14 Oktobra 2018

Angolà: Niteraka Adihevitra Mikasika Ny Fanavakavaham-bolonkoditra Ny Fandroahana Mpanao Gazety Avy Ao Amin'ny Trano Fisakafoanana

"... tsy zavatra vaovao ao Angolà ny fanavakavaham-bolonkoditra; saingy aleon'ireo olona minia mody tsy mahalala toy ny tsy misy na inona na inona mitranga"

12 Oktobra 2018

Navotsotry Ny Tajikistana Ilay Mpitoroka Saingy Mbola Manaraka Ihany Ny Fanamelohana

Nanao ny asany tokoa ilay fanentanana nampiasàna ny tenifototra #FreeKhayrullo (Avotsory i Khayrullo) ka nampihemotra ny governemanta. Ankehitriny, tsy amin-tahotra no nilazan'i Mirsaidov fa hanao fampakarana io fanamelohana azy io izy.