Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Avrily, 2016
Ampangain'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana ny “Faritra Havanana” Ho Nampiasa Ny Media Sosialy Hanonganana An'i Kremlin
Nilaza ny Lehiben'ny Fampanoavana fa nampiasa ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny mpikambana ao amin'ny "Faritra Havanana" hamoronany pejy azon'ny daholobe idirana ho mpikambana sy hanomanany " korontana faobe ary hetsika tsy nahazoana alàlana"
Nahena 18 Volana ny Sazy 12 Taona an'Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani
"Ho an'ireo mpanao sariitatra rehetra manerana an'izao tontolo izao:aleo isika manara-maso sy miteny ho an'i Atena Farghadani "
Navotsotra Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Nogadraina
"Noho ny fitahian'Andriamanitra, navotsotra tao amin'ny Fonjan'i Evin aho androany alina rehefa avy nahavita sazy. Misaotra tamin'ny firaisankina nasehoanareo rehetra," Hoy i Hadi Heidari tao amin'ny Instagram."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?
Mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda izahay amin'ity herinandro ity, miresaka tamin'i Prudence Nyamishana izahay mikasika ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra amin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.
Angamba Tsy Tokony Hihomehy An'ilay Lahatsary Malaza An'ilay Zazalahy Kely Shinoa Niaro Ny Renibeny Ianao
" Raha ny fianakavianareo no halaim-baraka sy vonoina, dia tsy hitsangana ve ianareo hamonjy azy? Tsy haiko izay mampihomehy anareo eo."
Kilalaon'i Aliyev, na Fandraisana ireo Gadra Politika ao Azerbaijan
"Tapitra ny fanaovana takalon'aina anay. Afaka izahay izao! Maniry fahafahana ho an'ny namantsika rehetra mbola tafajanona any am-ponja aho.."
Amin'ny Volavolan-dalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Ao Brezila, Lasa Miasa Ho ‘Andrimasom-Pokonolona’ Ny Media Sosialy
"Raha misy olona manala baraka mpanao politika ao amin'ny sehatra haino aman-jery sosialy, voatery hanaisotra ny votoaty ao anatin'ny 48 ora farafahaelany ilay sehatra. Raha tsy izany, miara-tompon'andraikitra amin'izany votoaty izany ihany koa ilay orinasa ary tsy maintsy manonitra amin'ilay mpanao politika nalaina baraka. ."
Mpikatroka LGBT Nosamborina Nandritry Ny Diaben'ny Taombaovao Bengali, Navotsotra Taty Aoriana Kely
Nitàna olona dimy ny polisy, noho ny filazana azy ireo ho nanao fitondrantena nampiahiahy sy ny filazana azy ireo ho nanandrana hanatanteraka fivorian'ny pelaka".
Bilaogera Iraniana Mitolona Ho Amin'ny Fahasalamana Sy Ny Fahalalahana Taorian'ny 18 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina
Nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka tamin'ny 26 Martsa i Hossein Ronaghi Maleki ilay bilaogera sady mpikatroka manohitra ny sivana. Miharatsy ny fahasalamany.
Ho An'ireo Mpampahalala Vaovao, Torohevitra Voavao Momba Ny Fandrakofana Resaka Famonoantena Avy Amin'ny Rosiana Mpanivana
Mifototra amin'ireo torolàlan'ny OMS ny torohevitra aroson'ny Roscomnadzor ho an'ireo media mpampahalala vaovao Rosiana mitatitra momba ny olan'ny famonoantena, saingy mila "asa bebe kokoa" mba hifanaraka amin'ny lalàna Rosiana.