Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Septambra, 2018
Milaza ny Venezoeliana fa tsy afaka miditra amin'ny tolotry ny Google izy ireo
Mampaneno ny lakolosy fanairana ary milaza ny mety ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny fifandraisana sy ny vaovao ny tatitra vaovao momba ny fanakanana ny aterineto.
Tatitry Ny Mpisera Amin'ny Aterineto : Inona No Andraikitry Ny Facebook Amin'ny Ady An-trano Ao Libia ?
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena ary fironana vaovao momba ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny Tatitry Mpisera avy amin'ny Advox.
Miatrika tondra-drano tsy mbola nisy toy izany i Shina, nisambotra vehivavy roa ho nampiely tsaho ara-pahasalamana ny manampahefana
Mpampiasa WeChat roa tao Shouguang, faritanin'i Shandong no nosamborina tamin'ny 25 aogositra 2018 noho ny fanaparitahana "tsaho" momba ny fihanaky ny aretina eny amin'ny biby fiompy noho ny tondra-drano goavana tao Shandong.
Tatitry Ny Mpisera (amin'ny Aterineto) : Niteraka Fanapahana Tranonkala Ny Fihetsiketsehana Ao Bangladesh, Fisamborana Mpanao Gazety
Manenjika ny fakantsarin'ireo mpanao gazety i Venezoela taorian'ilay fanafihana tamin'ny drôna, mamily làlana vaovao ny Telegram (hankany amin'ny lohamilina ao amin'ny governemanta) i Iràna ary miezaka ny hiverina ao Shina ny Google
Nanaiky ny fangatahan'ny Rosiana ny Google dia nanasivana lahatsary fanentanana fihetsiketsehana
Mbola tsy tapitra ity raharaham-panafintohinana farany indrindra ity noho ny fahitana ny Google ho ao anatin'ny krizim-pisiana, mitroatra amin'izay hitany ny mpiasa ao aminy noho ny fidiran'ny orinasany mankany amin'ny sivana.
Raha hiverina ao Shina ny Google, dia hanaraka ny fepetran'ny governemanta. Dia ahoana ny zon'olombelona?
Mety miomana hanisaka ny fitsipiky ny zon'olombelona ahafahany miditra amin'ny tsena shinoa ny Google. Saingy mbola miankina amin'ny governemanta shinoa hatrany no hananany zo hiditra amin'ny tsena.
Netizen Report: Tsy ao Myanmar ihany— fa mieli-patrana ao amin'ny media sosialy toa an'i Kamerona sy i India ny kabarim-pankahalana ara-poko
Ny Advox Netizen Report dia manome tatitra iraisam-pirenena momba ny fanamby, ny fandresena, ary ny vaovao malaza momba ny zo an'Aterineto manerana izao tontolo izao.
Nosazian'i Myanmar 7 taona am-ponja ireo mpanao gazetin'ny Reuters
Taorian'ny fitsaràna naharitra sivy volana, nosaziana higadra 7 taona an-tranomaizina tamin'ny 3 Septambra ireo mpampita vaovao roa avy ao Myanmar izay nitatitra momba ny famonoana ny Rohingya ao amin'ny fanjakan'i Rakhine tamin'ny herintaona, noho ny fanitsakitsahana ny Lalàna Ofisialy momba ny Tsiambaratelo taona 1923.
Ahoana ny fomba nitehirizan'ny nasionalisma ny vakoka kristiana ôrthôdôksa tamin'ny vanim-potoana URSS
Nandritra ny vanim-potoana URSS, nilaina hanairana ny fitiavan-tanindrazan'ny mponina ihany koa ny vakoka kristiana ortodoksa
Mamondrona ezaka i Shina mba hanakanana ny tsaho antserasera
Tamin'ny volana jolay 2018, nahazo tatitra 6,7 tapitrisa momba ny vaovao tsy ara-dalàna sy diso ireo mpanaramaso ny aterineto avy amin'ny fanjakana.