Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Jona, 2021
Ao Armenia taorian'ny ady, ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety no petahan'ireo mpanao lalàna
Hatramin'ilay ady, hozongozonin'ireo fepetra vaovao sy mazàna manjavozavo ny asa fanaovana gazety. Misy izao ireo tolodalàna vaovao tsy manao afa-tsy ny manasarotra ny fanaovana tatitra ao Armenia
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Taorian'ny fanakatonana ny Apple Daily, namafa lahatsoratra sy nampiato famandrihana ilay media nomerika Stand News ao Hong Kong
Nilaza ilay famoahambaovao nomerika Stand News fa hanàla lahatsoratra fanehoankevitra sy tsanganana navoakany talohan'ny volana May ary hampiato ny fanekena fanomezana mba hampihenana ny mety ho kinanga hanjo azy araka ny lalàna momba ny filaminam-pirenena.
Fiarovana bebe kokoa anaty aterineto, tsy natao ho an'ny ao Azia Afovoany
"Tokony ho ampiharin'ny Apple tsy asiana fiangarana sy amin'ireo mpanjifany rehetra ny fepetrany momba ny resaka tsiambaratelo sy ny zon'olombelona – na aiza na aiza firenena misy ireny mpanjifany ireny"
Ny tantara lavaben'ireo poeta revolisiônera tao Myanmar
Tao anatin'ny tantaran'i Myanmar, nampiseho firaisankina tamin'ireo olontsotra hatrany ny poeta ary teny ambava ady isaky ny misy revôlisiôna
Tatitra vaovao manasongadina ny fitohizan'ny tsindry mitohy mahazo ireo Okrainiàna mpikatroka sy mpiaro zon'olombelona
Ankoatry ny fandrahonana nomerika, zavatra tena nahazatra tamin'ny telo volana voalohan'ny taona 2021 ny nahita herisetra ara-bàtana, fanimbàna fanànana ary ezaka fandemena ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona.