Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Desambra, 2023
Nosakanan'i Torkia ny fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16
Milaza ireo manam-pahaizana fa ny tanjon'ny fandraràna dia ny hisakanana ny fidirana amin'ireo tranonkalam-baovao efa voasakana ao amin'ny firenena izay tsy azo nidirana afa-tsy tamin'ny fampiasana ny tolotra VPN.
Voarara ao Rosia saingy alefa amin'ny YouTube ilay fanadihadiana mikasika ny mosary tany Volga tamin'ny andian-taona 1920
Noho ny antony tsy mazava, noraran'ny governemanta Rosiana ilay fanadihadiana Rosiana iray mampiseho ny mosary tamin'ny taona 1921 hatramin'ny taona 1923 tao amin'ny faritr'i Volga, saingy azo jerena amin'ny aterineto ao amin'ny YouTube.
Ny mahatonga ilay “lalàn'ny aterineto tsy liberaly” ao Indonezia hanimba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'olombelona
"Malahelo izahay hoe nolanin'ny parlemanta indôneziàna ny fanitsiana ilay lalàna ITE, izay miaty andalana mahabe olana sy manimba ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety."
Dingana voalohany mankany amin'ny fifehezana ny tambajotra sosialy bebe kokoa ny fandraràna ny TikTok ao Nepal izay ataon'ny governemanta
Tamin'ny 13 Novambra 2023, nametraka fandrarana feno ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa TikTok ny governemanta Nepali noho ny filazan’izy ireo fa miteraka korontana ara-piarahamonina eo amin'ny Nepaley ity sehatra ity.
Ambany aloky ny lalàna: Ny tontolon'ny fampitam-baovao koreana tatsimo mihapotika mangina
Amin'izao ankatoky ny fifidianana nasionaly izao, fitsapana lehibe amin'ny fanoloran-tenan'ny firenena amin'ny fitsipika demokratika sy ny fahalalahana sivily ny fihenjanan'ny governemanta amin'ny vahoaka tsy mitovy hevitra sy ny fanarahamaso atao amin'ny haino aman-jery.