Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2020

Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Mey, 2020

Uyghur mpiaro zon'olombelona i Dilnur Reyhan, malahelo fa tsy misy firaisankina ny samy silamo

Nanakona ny mason'ireo olompirenena silamo tsotra ny fankahalàna ireo tandrefana eny anivon'ireo vahoaka silamo, ka tonga hatramin'izao fandàvana ny hino izay rehetra vaovao avy amin'ny media tandrefana izao, na ohatra aza ka ireo toby fanibohana miozolmàna no resahana

Voampanga ho manao sivana ny Klioban'ny masoivohon-gazety vahiny rehefa nanaisotra hala-tahaka fanesoana ny fangon'ny lalao olaimpika

Nanasongadina sary maka endrika coronavirus ny sary fanevan'ny lalao olaimpikan'i Tokyo nivoaka ao amin'ny gazetibokin'ny klioba tamin'ny volana avrily, ka niteraka fitarainan'ny komity mpikarakara ny lalao olaimpika ho misy fanitsakitsahana copyright.

Nitaraina ilay vehivavy mpikambana ao amin'ny Kongresy Hondiorana fa nosakanana tamin'ny fivoriana virtoaly izy

Ao anatin'ny fotoanan'ny COVID-19 sy ny fihibohana, mety hanimba ny dingana ara-demokratika amin'ny alalan'ny tsy fahombiazana tsotra izao na ny teti-dratsy ny fampiasana ny teknolojia izay manolo ny fivoriana hifanatrehan'ny olona.

Noho ny ady ataon'i Tonizia amin'ny Covid19, voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra

Roa ireo bilaogera nosamborina satria niampanga ireo manampahefana any an-toerana ho nanao kolikoly mifandraika amin'ny fitsinjaràna ireo fanampiana, raha iray kosa mpanao gazety miatrika ompa sy fanivaivàna ety anaty tambajotra satria nanakiana ny minisitry ny fahasalamàna.

Noroahin'i Shina ireo Amerikana mpanora-gazety avy amin'ny seha-baovaon'i Etazonia, fandrahonana ny fahalalahan-gazety izany hoy ny mpitily

Nambaran'i Shina ny fandroahana ireo Amerikana mpanoratra amin'ny gazety lehibe, izay tsy iza fa ny New York Times, ny Wall Street Journal ary ny Washington Post