Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Oktobra, 2021
Mihevitra lalàna vaovao hanakanana ny tambajotra sosialy i Kazakhstan
Natao hanakanana ny asa ataon'ny orinasan'ny tambajotra sosialy ao Kazakhstan ny fanitsiana lalàna vaovao. Mety hanamafy ny fitsikilovana ataon'ny governemanta ilay famerana nolazaina fa natao hiarovana ny zon'ny ankizy,
Filma raràn'i Hong Kong noho ny filaminam-pirenena ary voasazy izay mandefa izany tsy nahazoana alalana
Mety ho afa-miditra amin'ny toerana iray tsy manana taratasy fandidiana avy amin'ny fitsarana ihany koa ny inspektera iray nomen'ny sampan-draharahan'ny fanaovana sivana alalana raha miezaka ry zareo hampiato ny fijerena filma iray na ny famoahana raha toa "ka tsy azo tanterahana ara-pratika" ny fahazoana didy an-taratasy.
Mpanorina tranonkalam-baovao sady tonian-dahatsoratra nametra-pialana noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana Kazakh
Nikatona nandritra ny 10 andro ny tranonkalan'ny Hola News noho ny Fanafihana be pitsiny. Avy eo nandao ny tetikasa ny ekipa fototra, noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana hoy izy ireo.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Nihabetsaka ny fanentanana hametaka ny mpanao gazety sy ny fampitam-baovao rosiana ho ‘kasinga vahiny’ taorian'ny fifidianana
Sady mpiantraika mivantana no tena manahirana tokoa ny fiantraikan'ny fehezan-dalàna misahana ny 'kasinga vahiny' ao Rosia amelezana fampitam-baovao sy firaisamonim-pirenena. Tondroina ho 'fahavalom-bahoaka' ry zareo amin'izao fotoana izao.
Nasaina namotsotra ireo gadra 21 nanohitra ny lalànam-pifidianana “manavakavaka” i Qatar
Mandràra ireo Qatari izay voasokajy ho "nampidirina" fa tsy "teratany" tsy hilatsaka kandida amin'ny fifidianana ary mandràra azy ireo tsy hifidy, na izy roa ny lalana vaovao mifehy ny fifidianana ho avy.
Nahoana i Twitter nanohana ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy nanohana ny #FixTheCountry ao Ghana?
Na dia tsy mazava aza ny antony, ny hetsika ataon'ny Twitter dia ahafahana mihevitra fa tsy te-hiditra ao anatin'ny raharaha politika ao Ghana tahaka izay ataony ao Nigeria izy, eny fa na dia midika ho tsy fiarovana ny zo ankihin'olompirenena aza izany.
Ao Torkia, olompirenena iray migadra noho ny fanompana ny filoham-pirenena
Hatramin'ny naha-voafidy azy ho filoha tamin'ny taona 2014, manodidina ny "100.000 ny olona voampanga ho manaratsy ny filoha," sy manitsakitsaka ny andininy faha-299 amin'ny fehezan-dalàna famaizana