Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Septambra, 2016
Nametraka Fanampenam-bava Amin'ny Haino Aman-jery Ny Manampahefana Jordaniana Taorian'ny Famonoana Ilay Mpanoratra
Noraràn'ny manampahefana Jordaniana ny fandrakofam-baovao momba ny famonoana an'i Nahed Hattar, mpanoratra maty voatifitra tamin'ny 25 Septambra tao an-drenivohitra Amman.
Tafahoatra Ity Sariitatra Sovietika Ity Ho An'ny Komonista Mpanampim-Bava
Araka ny lahatsary fanadihadiana "Chuck Norris mifanandrina amin'ny Komonisma", nofafan'ny biraom-panjakana misahana ny sivana ao Romania ny seho tamin'ny sarimiaina Sovietika mahazatra "Nu Pogodi" alohan'ny fandefasana azy tamin'ny fahitalavim-panjakana nandritra ny taona 1980.
Voasorok'i Emirà Arabo Mitambatra Ny Lohataona Arabo Tamin'ny Fanenjehana Tsy Ankiato Ireo Mpitsikera
Noho ny fanahiana amin'ny mety isian'ny fitroarana mitovy endrika amin'ny lohataona arabo ao anatin'ny sisintaniny, dia nanomboka famoretana ireo mpitsikera sy mpikatroka, tsy mbola nisy toy izany ny governemantan'i Emirà Arabo Mitambatra.
Maika Loatra Nanohana ny Daroka Baomba ao Syria Ilay Mpitari-Dalan'ny Runet, Ka Miatrika Sazy An-tranomaizina Ankehitriny
Miatriaka sazy roa taona amin'ny toby fanasaziana mitokana i Anton Nossik noho ny filazany fa tokony "Hofafana Tsy ho eo Ambonin'ny Tany i Syria."
Filoha Ganeana, Manome Toky Tsy Hanapaka Ny Media Sosialy Mandritry Ny Fifidianana
Nanome toky ny firenena ny Filoha Ganeana, John Mahama, fa tsy hisy fanakatonana media sosialy mandritra ireo fifidianana hatao amin'ny 7 Desambra.
Netizen Report: Natsahatra ny Fifandraisana amin'ny Alalan'ny Aterineto ao Bangladesh sy i Etiopía Kanefa Mihamafana ny Toe-draharaha Politika
Mbola mihatra ao Bangladesh sy ao Ethiopía amin'izao fotoanba izao ny fanakanana ny aterineto, nividy rindrambaiko fitsikilovana mitentina 22 tapitrisa dôlara i Però, ary mety hampigadra noho ny heloka bevava amin'izao fotoana izao ny mizara votoaty (tsy nahazoana alalana).
Mahery Vaika Ny Fanafihan'ny Polisy Shinoa Ireo Mpanao Hetsika Nanohitra Ny Fampidirana Am-ponja Ny Filoha Voafidin'ny Tanànakely Iray
Mino ireo mponina fa noterena hiaiky ho nandray kolikoly i Lin satria nanomana hetsi-panoherana manohitra ny fangalana tany an-keriny tsy nahazo ny fankatoavan'ny tanànakely.
Ankasitrahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana Noho Ny Asa Mafy Ataony Ny Bots Facebook
Mafàna ny ady bot Facebook eo amin'i Okraina sy Rosia. Hahita lalana hanasaziana ireo mpanao "spam" ve ny governemanta Rosiana?
Nahemotra Tao Anatin'ny Antso Famotsorana Azy Ny Fitsarana An'ilay Mpanao Gazety Makedoniana Ho Manao Asam-Pitsikilovana
"Hanasaziana ireo mpanao gazety tsy mankato sy handrahonana ary hamehezana ny hafa ny raharaha toy izany."
Kashmir: Fetra Iafaran'ny ‘India Nomerika’
Maharitra ela izany roa volana tsy misy aterineto izany. Ho an'ireo Kashmiris, tsapa bebe kokoa ho fanasaziana tambabe ny tsy fisian'ny aterineto fa tsy fepetram-piarovana.