Manatona ny fifidianana, miatrika fanafihana na fakana an-keriny ny Pakistaney mpanao gazety na mpikatroka

Saripikan'ny trano iray norobaina. Sary avy amin'ny kaonty twitter an'i Raza Rumi (Tonian'ny Daily Times)

Tsy ampy iray volana sisa dia ho tonga ny fifidianam-pirenena, hitan'ny Pakistaney mpanao gazety sy mpikatroka ny fitomboan'ny fanafihana sy fandrahonana mahazo azy ireo sy ireo olona akaiky azy ireo.

Ity fifidianana ity no hanamarika ny fotoana faharoa isian'ny tetezamita (famindram-pahefana) demaokratika eo amin'ny tantaran'ny firenena. Ny tetezamita milamina voalohany dia tamin'ny taona 2013, raha natolotr'i Asif Ali Zardari ao amin'ny Pakistan People’s Party (PPP) na Antokom-Bahoakan'i Pakistan ho an'i Nawaz Sharif ao amin'ny Pakistan Muslim League (PML-N) na Ligin'ny Miozolomana ao Pakistan) ny fitantanana ny governemanta. Talohan'ny taona 2008, tsy nisy ny governemanta lany tamin'ny fomba demaokratika nahavita ny dimy taona fehim-potoana fiasany.

Ho fanoherana io toe-javatra io, ny fanafihana ireo mpanao gazety sy mpikatroka no fanaporofoana ny finiavan'ireo hery matanjaka — izay maro izy ireo ao Pakistan — hitazona ny fahefana ho eo ampelatanan'ireo mpiantsehatra sasantsasany, sy hisoroka ny fahazoan'ireo feo tsy miankina ny fahefana tompon'andraikitra.

Marvi Sirmed

Ny 21 Jona tao Islamabad, nahita ny tranony voaroba i Marvi Sirmed, masoivohon'i Daily Times sady mpiaro ny zon'olombelona rehefa niverina avy namangy tany Lahore izy sy ny fianakaviany. Solosaina finday roa, smartfinday iray, pasipaoron'ny fianakaviana ary antontan-taratasy fitsangantsanganana no nalaina.

Nasioka i Raza Rumi tonian'i Daily Times:

Manahiran-tsaina tanteraka, norobaina ny tranon'i @marvisirmed masoivohon-gazety sady mpanoratra mpiantsoroka ny Daily Times Pak ao Islamabad raha tany an-kafa ry zareo no nandany ny fetin'ny Eid. Nosavasavaina daholo ny entana rehetra tao an-trano fa solosaina finday, smartfinday 1 sy dosiem-pitsangatsanganana ihany no nalain'ny mpangalatra.

Naneho ny ahiahiny tamin'ny fanafihana ny tranon'i Sirmed ny Vaomieran'ny zon'olombelona ao Pakistana (HRCP). Tao anatin'ny fanambarana iray natao tamin'ny 23 Jona, hoy ny Vaomiera:

Our council member Marvi Sirmed’s long-standing record as a human rights defender speaks for itself in an environment that is increasingly hostile to criticism, much less dissent. That the family’s travel documents were stolen along with their laptops and smartphone, and their home so deliberately ransacked, are not the marks of commonplace burglary

Mipoitra ho azy ny tontolo izay mihavinitra amin'ny tsikera, tsy dia misintaka loatra, amin'ny fijoroana maharitra nataon'i Marvi Sirmed mpikamban'ny vaomieranay amin'ny maha-mpiaro ny zon'olombelona azy. Tsy mariky ny fangalarana tsotra ny Niarahana nangalarana tamin'ireo solosaina finday sy smartfinday ny taratasim-pitsangatsanganan'ny fianakaviana, ary niniana norobaina ny tranon'izy ireo.

Ahmad Goraya

Mahita koa ny fitomboan'ny fandrahonana ireo olona ao amin'ny fianakaviany ireo mpikatroka sy mpanao gazety ao Pakistan. Nanambara tao amin'ny Twitter ilay bilaogera pakistaney Ahmad Goraya, izay mipetraka any Holandy ary fantatra amin'ny Facebook noho ny tsikera nataony tamin'ny tafika pakistaney, fa nitsidika ireo ray aman-dreniny efa antitra tamin'ny 20 Jona ny lehilahy maro avy ao amin'ny ISI sampam-pitsikilovana. Araka ny nolazain'i Goraya, “mafonja sy mazava ny baiko” hakana an-keriny sy hampijaliana ny rainy sy hanafihana ny fianakaviany, ary hampianaran-desona an'i Goraya lesona no anton'izany.

Fandrahonana: nitsidika ireo ray aman-dreniko efa antitra ny lehilahy maro avy ao amin'ny ISI sampam-pitsikilovana pakistaney tamin'ny 20 Jona. Nolazin-dry zareo mafy sy mazava fa nahazo baiko hakana an-keriny sy hampijaliana ny raiko sy hanafihana ny fianakaviako ry zareo, ary ho lesona ho ahy izany. Tsy vao voalohany io.

Tsy vao voalohany no tafahaona tamin'ny hery toy izany i Goraya. Tamin'ny Janoary 2017, tsy hita nandritra ny telo herinandro i Goraya. Taorian'ny namoahana azy dia nilaza tamin'ny BBC izy fa nifamatotra tamin'ny andrim-panjakana ireo olona naka an-keriny sy nampijaly azy.

Nanameloka ity tetika fandrahonana ity ny HRCP:

Manameloka tsy ampisalasalana ity fikasana hampangina an'i Goraya mpiaro ny zon'olombelona ity ny HRCP. Hakanosana tsotra izao ny fampiasana ray amandreny efa antitra ho solontsindry [takalon'aina].

Nanao fanambarana ampahibemaso ny vaomiera taorian'ny tranga:

The Commission has also expressed its alarm at the growing frequency with which human rights defenders are being targeted. HRCP calls for a public and transparent investigation of the incident to make it clear that such callous attempts to intimidate human rights defenders or their families are unacceptable and unconstitutional. This ugly state of affairs simply cannot be allowed to continue.

Ny vaomiera ihany koa dia naneho ny fanairany amin'ny fitomboan'ny fanaovana lasibatra ny mpiaro ny zon'olombelona. Antsoin'ny HRCP ny hanaovana fanadihadiana ampahibemaso sy mangarahara tamin'ny zava-nitranga hampazava tsara fa tsy azo ekena ary tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny fikasana henjana hampihorohoroana ny mpiaro ny zon'olombelona na ny fianakaviany. Tsy azo ekena hitohy tsotra izao ny toe-draharaha tahaka izao.

Gul Bukhari

Tany am-piandohan'ity volana ity, nalaina an-keriny tao Lahore ny mpanao gazety sady mpikatroka Gul Bukhari. Teny an-dalana ho any amin'ny Waqt TV Studio izy hanao fandaharana resadresaka izy raha nosintonin'olon-tsy fantatra.

Naneho ny fanairana noho ny fanjavonan'i Bukhari ny Committee to Protect Journalists na Komity Mpiaro ny Mpanao gazety, fikambanana mahaleotena miasa ho fampiroboroboana ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety manerantany, ary niantso ny polisy mba hiantoka ny fiverenany haingana sy salama tsara:

Taitra ny CPJ tamin'ny tatitra fa nailaina ankeriny tao Lahore i @gulbukhari. Tokony hampiasa izay zavatra rehetra eo ampelatanany ny polisy hanao famotorana sy hiantoka ny fiverenany haingana tsy maninon-tsy maninona. Efa ampy izay voina nahazo ny mpanao gazety pakistaney izay.

Taorian'ny fanjavonana vetivety dia tafody i Bukhari ary niresaka tamin'ny alàlan'ny Twitter naneho ny fankasitrahany ireo rehetra nifandray tanana hahasalama tsara azy tsy maninona tsy maninona ka ao anatin'izany ny namana, fianakaviana, mpiara-miasa ary mpanohana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanaovan-gazety.

Te-haneho ny fankasitrahako sy ny fitiavako amin'ny namana, fianakaviana, mpiara-miasa ary mpanohana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanaovan-gazety ary mpanao politika, tamin'ny fahatongavana miaraka ho firaisankina hitady izay hahasalama ahy halina.

Mitombo ihany koa ny ahiahy amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny sivana an-gazety amin'izao fanatonan'ny fifidianana izao. Tao anatin'izay volana vitsy lasa izay no nesorina tsy ho heno amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena ny Geo TV an'ny Jang Group. Maro ny tonian'ny famoahan-gazety no terena hanaisotra ireo tsanganana hafa feo tsy ho hita amin'ny gazety. Misy ireo mpanao gazety, anisan'izany i Asad Kharal, notafihana ampahibemaso noho ny fanakianana ataony ao amin'ny asa sorany.

Any Pakistan, misy ambadika politika ny tranga maro tahaka izany ary matetika dia tsy voavaha ny raharaha fanafihana ny mpanao gazety. Ao anatin'ny toe-javatra amin'izao fotoana izao, ahitana ny fanjakazakan'ny miaramila, ny tsy fisian'ny fanavaozana ny [lalàm-p]ifidianana, ny ha-iva-n'ny fahaiza-mamaky teny, ary ny fanaovana ho anjorom-bala ny hetsiky ny elatra havia, ny fikirizan'i Pakistan hiraikatra amin'ny demaokrasia dia porofon'ny fahazakan'ny firenena sy finoana ny herin'ny fifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.