Tantara mikasika ny Tonizia

Ako avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana

  14 Marsa 2019

Hotontosaina amin'ny Alahady 25 Desambra ao amin'ny Café 112 afovoan-tanànan'i Tunis, any amin'ny faran'ny lalana Palestine ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana faha-9. Hambara amin'io fihaonana io ny valin'ny Loka ho an'ny Bilaogy Toniziana.

Tonizia : Nosamborina noho ny fanalam-baraka ilay bilaogera Fatma Riahi

GV Mpisolovava  28 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nampanantsoina tany amin’ny Borigady misahana ny Heloka bevava tao Gorjani (Tonizia), ilay bilaogera Toniziana no sady mpampianatra teatra Fatma Riahi (34 taona), fantatra amin’ny solon’anarana hoe Arabicca ao amin’ny Aterineto, ka nanontaniana momba ny ataony tao amin’ny Aterineto izy....

Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online...

Tonizia: Navotsotra ilay mpanoratra an-tserasera ary niakatra fitsarana ilay ny toniandahatsoratry ny tranonkala 

GV Mpisolovava  21 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navotsotry ny governemanta Toniziana ilay mpisolovavan'ny zon'olombelona sady mpanoratra an-tserasera Mohammed Abbou izay efa nogadraina efa ho 28 volana izao. Nosamborina Atoa Abbou tamin'ny volana Martsa 2005 ary voaheloka higadra telo taona sy tapany noho ny nanoratany lahatsoratra an-tserasera...