Sivana tsy voasakan-tsisintany: ny zavatra niainan'ny bilaogera Maraokana iray

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
naoufel for advox

Bilaogera Maraokana manan-talenta i Naoufel Chaara. Efa nahazo loka tamin'ny fifaninanana bilaogy tsara indrindra iraisam-pirenena (BOB) izay nokarakarain'ny Deutsche Welle tamin'ny taona 2010 tamin'ny sokajy Best Arabic Blog (Bilaogy amin'ny teny Arabo tsara indrindra) ny tranonkalany. Mazàna misy fiantraikany matanjaka eo amin'ny mpamaky ny lahatsorany ny fomba fijeriny amin'ny fomba maranitra izay mahazatra momba ny vahoaka sy ny fahefana ao amin'ny fireneny sy ny tontolo Arabo.

bobs

Fantatra fa mahazo fandrahonana avy amin'ny rafitry ny sivana ataon'ny fitondrana ao an-toerana ny feon'ny mpanohitra, saingy gaga tanteraka i Naoufel rehefa fantany fa voarara ny bilaoginy tany ivelan'ny sisintanin'ny fireneny.

Ato amin'ity antsafa fohy ity, manazava ny fomba nahafantarany momba ny fandraràna ilay bilaogera sy ny fiantraikan'izany amin'ny asasorany .

Azonao ampahafantarina anay ve ny momba ny bilaoginao sy ny karazana lohahevitra soratanao ?

حسنا ..في مدونتي اكتب عن كل شيء..عن الديمقراطية الغائبة..عن حقوق الانسان التي لم نجدها بعد و عن يوميات الوطن العربي..باختصار عن وجهة نظري في الاحداث التي تقع.

Eny, ao amin'ny bilaogiko, manoratra momba ny zava-drehetra aho: mikasika ny tsy fisian'ny demaokrasia, momba ny zon'olombelona very ary momba ny fiainana andavanandro ao amin'ny tontolo Arabo. Raha fintinina, mibilaogy momba ny fijeriko ny zava-mitranga aho.

Ahoana no nahalalanao fa voasakana ny tranonkalanao tany amin'ireo firenena Arabo sasany?

كنت اتحدث مع الزميلة لينا بن مهني من تونس حول حجب مدونتها، بعدها اخبرتني ان مدونتي محجوبة هناك، في اليوم التالي كنت ادعوا بعض الأصدقاء الى التصويت على مدونتي في جائزة البوبز، حيث تأهلت الى المرحلة النهائية..عندها سأعلم ان المدونة حجبت في السعودية و الامارات.

Taorian'ny resaka nifanaovako tamin'ilay mpiara-miasa amiko Toniziana Lina Ben Mhenni momba ny sivana tamin'ny bilaoginy tany Tonizia dia nilaza tamiko izy fa voasakana tany an-toerana ihany koa ny bilaogiko. Ny ampitson'io, nifandray tamin'ireo namako sasany aho mba hangataka azy ireo hifidy ny tranonkalako ho an'ny Lokan'ny Bilaogy Tsara Indrindra Iraisam-pirenena (BOBs), no nahenoako fa nolavina ny fidirana tamin'ny bilaogiko tany Arabia Saodita sy tany amin'ny Emirà Arabo Mitambatra.

Ahoana no fomba hanazavanao ny sivana?

في تونس الأمر بديهي، كل تضامن مع نشطاء حقوق الانسان هناك يؤدي الى المنع..السعودية تفعل نفس الامر مع من تعتبرهم أصوات علمانية..الامارات هي علامة الاستفهام و لا أدري لماذا حجبت مدونتي هناك.

Mazava ny antony ao Tonizia: Mitarika amin'ny fandraràna tsy azo ialana ny fampisehoana firaisankina rehetra amin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona any an-toerana. Manao toy izany ihany koa i Arabia Saodita amin'ireo feo izay heverina ho laika tafahoatra. Mbola misy baraingo mipetraka ho an'i Emirà Arabo Mitambatra. Tsy fantatro hoe nahoana no voarara ny bilaogiko any.

Ahoana ny fanehoan-kevitry ny mpamaky ny bilaoginao?

الأراء اجتمعت حول أن حجب المدونة في دول تقيد حرية التعبير و توضع دائما في أسفل ترتيب حقوق الانسان هو نيشان للمدونة

Miray hevitra ny olona: Natao mari-pankasitrahana ho an'ny bilaogy ny fandraràna avy amin'ireo firenena fantatra amin'ny fameperany ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Moa ve hisy fiantraikany amin'ny fomba fanoratanao ao amin'ny bilaoginao ity fandraràna ity?

قطعا لا..أسلوبي و كتاباتي وجدوا قبل المدونة..حجبها هناك لا يعني لي شيئا سوى ضياع قراء محتملين للمدونة

Tsia tanteraka. Manoratra aho androany tahaka ny nanoratako talohan'ny nanombohako nibilaogy. Tsy midika na inona na inona ho ahy  ny fandraràna afa-tsy ny mety ho fahaverezan'isa amin'ny mpamaky fotsiny.

Misy ve ny fomba handinganana ity sivana ity ?

خبرتي بالأمور التقنية ضحلة للغاية..و لا أدري فعلا ان وجدت طرق .للالتفاف حول هكذا حجب

Manana traikefa ara-teknika tena voafetra aho ary tsy tena fantatro tsara raha misy fomba mahomby hialana amin'io fandraràna io.

Misy teninao farany?

فقط شكري لمن راسلوني أو من عبروا لي عن مساندتهم..

Tiako ny misaotra ireo rehetra nanohana ahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.