Tantara mikasika ny Tonizia
Tonizia: Navotsotra ilay mpanoratra an-tserasera ary niakatra fitsarana ilay ny toniandahatsoratry ny tranonkala
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navotsotry ny governemanta Toniziana ilay mpisolovavan'ny zon'olombelona sady mpanoratra an-tserasera Mohammed Abbou izay efa nogadraina efa ho 28 volana izao. Nosamborina Atoa Abbou tamin'ny volana Martsa 2005 ary voaheloka higadra telo taona sy tapany noho ny nanoratany lahatsoratra an-tserasera...
Tonizia: Nanaovana bemidina ny tranon'ilay bilaogera, norobaina ny solosainy sy ireo kapila CD
Nanaovana bemidina ny alin'ny 10 Aprily 2009 ny tranon'ilay mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Zied el-Heni. Ao amin'ny bilaogin-dahatsoratra nivoaka androany (11 Aprily 2009), nanoratra i Zied fa norobaina ny solosainy enti-tanana sy ireo kapilany CD izay misy ny asany rehetra:
Nojirihana ny bilaogin'ilay mpanao gazety sady bilaogera Toniziana
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nojirihana sy nofafàna ny bilaogin'ilay mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Slim Boukhdhir. Toa ireo vondrona mpijirika izay mikendry ireo tranonkalan'ny mpanohitra Toniziana sy ireo bilaogy ihany no nanao izany. Nojirihana imbetsaka ny tranonkalan'ny Antoko Demokratika Liam-pandrosoana ( antoko mpanohitra ara-politika...
Bilaogera/mpanao gazety Toniziana nosamborina
Vaovao farany: Nosazian'ny fitsarana Toniziana androany higadra herintaona an-tranomaizina ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir noho ny "herisetra tamin'ny mpiasam-panjakana".
Mihodidina ny lapam-panjakana Toniziana ny lahatsarin'ny zon'olombelona
Nosakanan'i Tonizia ny fidirana amin'ny habaka roa malaza amin'ny fifampizarana lahatsary, dia ny Youtube sy ny Dailymotion mba isorohana amin'ny fidiran'ny Toniziana mpiserasera tsy hijery votoatin-dahatsary manasongadina fijoroana vavolombelona avy amin'ny gadra politika sy ny mpikatroky ny zon'olombelona.
Nesorin'i Tonizia ny fandraràna ny YouTube sy Dailymotion, saingy…
Ny vaovao androany dia nesorin'i Tonizia ny fandraràna ireo tranonkala malaza fizarana lahatsary Youtube (Nakatona nanomboka ny 2 Novambra 2007) ary ny Dailymotion (Nakatona nanomboka tamin'ny 3 Septambra 2007).
Tonizia: Nosamborina indray ilay mpanao gazety sady bilaogera Abdallah Zouari
Nosamborin'ireo polisy manao fanamiana sivily omaly, 15 Septambra 2009 tao an-tanàna atsimon'i Zarzis ilay bilaogera Toniziana sady gadra politika teo aloha Abdallah Zouari.
Toa nakaton'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Facebook
Toa nakaton'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Facebook androany. Bilaogera Toniziana sasany ao amin'ny firenena no nitatitra fa tsy afaka niditra tao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy malaza ary naka pikantsary maromaro misy ny pejy hosoka 404.
Tonizia: Matetika niharan'ny fanafihana ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdir
(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nisy nanafika ilay mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Slim Boukhdhir raha nandao ny cybercafé iray tao Tunis taorian'ny famahanana bilaogy momba ny andraikitr'i Houssem Trabelsi , anadahin'ny vadin'ny filoha ao Tonizia, nandritra ny fampisehoana nifanosehana nahafatesana olona tao Sfax (Kaonseritra...
Nesorina ny fandraràn'i Tonizia ny Facebook
Nesorina tao Tonizia nanomboka omaly 3 Septambra 2008 ny fandraràna ny tranonkala tambajotra ara-tsosialy malaza Facebook taorian'ny fihetsiketsehana goavana nataon'ny mpiserasera toniziana.