Tonizia: Niverina Tao Amin'ny Facebook Hitsikera ny Islamista ny Mpiserasera
Nanjary lohahevitra mafana ny resaka mikasika ny herin'ny hetsika Islamika hatramin'ny nanombohan'ny Lohataona Arabo tao Tonizia ny volana desambra farany teo.
Niteraka adihevitra marobe ihany koa ny Salafista tao anatin'izay volana vitsivitsy taorian'ny revolisiona Tonizia izay. Araka ny tati-baovao, nanafika ny iray tamin'ireo toeram-pilalaovana sarimihetsika izy ireo noho ny fampisehoana sarimihetsika nolalaovin'ilay vehivavy Toniziana laika Nadia El Fani; nanafika birao tao amin'ny Oniversite ihany koa izy ireo noho ny fandavana ny vehivavy manao sarondoha hisoratra anarana izay lalàna napetraky ny fitondrana teo aloha; nandoro ny tranon'ny fahitalavitra Nessma ihany koa izy ireo noho ny fampisehoana ilay sarimihetsika Persepolis, ahitana zatovovavy miresaka amin'ny Tompo.
Nampiasaina avokoa izany rehetra izany mba hamelezana ny antoko Islamika Ennahda, izay nahazo vato 40 isan-jato tamin'ny fifidianana farany teo, ary nambara fa te-hanova ny firenena hiverina amin'ny fanjakan'ny Taliban any Afghanistan, Sodana, na Iran indray ny Islamista ao Tonizia. Noraisina ho toy ny fihetsehampo fankahalana ny Islamo ny fanenjehana amin'ny fametrahana ireo firenena ireo ho modelin'ny politika Islamo araka ny hevitry ny sasany. Ny hafa kosa mahita izany ho toy ny fampielezan-kevitra natao mialoha avy amin'ny antoko hafa hampihenana ny lazan'ny hetsika Ennahda. Mbola maro amin'ireo vondrona no miaro ny tenany amin'ny filazana fa Islamika izy ireo ary maniry ny hiaro ny laisite Toniziana.
Niverina tao amin'ny Facebook ny mpiserasera Toniziana mba hitsikera sy hamazivazy ny hetsika toy izao ary haneho fanohanana ny lalam-piainana laika Toniziana.
Iray amin'ireo vondrona mafana fo ao amin'ny Facebook ny شماتة في العرب تونس حرة بالحرام ما تقعد حرة izay hadika amin'ny teny malagasy hoe “Ho afaka i Tonizia na hankatoavin'i Arabo izany na tsia” izay misy hifandraisany amin'ny fifaneraserana mahazatra nataon'ny Toniziana tao amin'ny firenena manamorona ny Helodrano sy ny famatsiambola ataony amin'ny vondrona Islamika. Amin'ity sary voalohany ity, filohan'ny antoko Ennahda Rached Al-Ghannouchi izay novaina tamin'ny photoshop ny vatany ho toy ny vatan'ny filoha Toniziana teo aloha Zein Al Abideen Ben Ali ary ny fangalana ity sary ity dia ahitana an'i Ghannouchi mamerina indray ny tenin'i Ben Ali tamin'ny lahateniny malaza hoe “Azoko ihany ny tianao ambara, ry vahoakan'i Tonizia.”
Nandefa hira milaza hoe “Tsia Tsia Tsia ho an'ny Rahalahy Miozolomana” ihany koa ny vondrona mitovy amin'izany.
Vondrona malaza hafa ao amin'ny Facebook tonga nanome hery nandritra ny revolisiona nantsoina hoe ابتسم كثيراً فأنت لست من سيدي بوزيد (Mitsikia betsaka; tsy avy amin'i Bouzid ianao) ary nandefa hafatra ihany koa somary nasiana fetrany (tsy dia ahitana fanebahana sy fanarabiana) manoloana ny Ennahda, nilaza ny pejy fa ny famelana ny Islamista hitondra an'i Tonizia dia hanimba azy ary hanohitra ny tena tanjon'ny revolisiona.
Eto ny vondrona dia nandefa sary ny amin'ny fomba handraisan'i Tonizia anjara raha toa ka ny fitondrana Ennahda no ao Tonizia:
Ary amin'ity sary ity indray, nanafika ny tompon'ny fahitalavitra Hannibal, Larbi Nasra izy ireo, izay ray aman-drenin'ny vadin'i Ben Ali ihany, niampanga azy ho nanohana ny antokon'ny fitondrana teo aloha, ary avy eo ny revolisiona, ary ankehitriny indray ny antoko Ennahda, mba ho tombotsoany manokana.
Pejy Facebook hafa mitondra ny lohateny hoe أنا مسلم و النهضة لا تمثلني (Miozolomana aho ary tsy avy amin'ny Ennahda aho) nandefa sary mampitaha an'i Ghannouchi amin'ny lehiben'ny revolisiona Islamika Ayatollah Khomeini.
Vondrona antsoina hoe الحركة التونسية لمقاومة المتطرفين و تجار الدين : النهضة ، التحرير (Hetsim-panoherana Toniziana manoloana ny Mahery fihetsika sy ny Mpivarotra Fivavahana: Ennahda sy Tahrir) nanamarika izay nofaritany ho toy ny fomba fanao manakana ny fahafahana taorian'ny revolisiona Toniziana. Amin'ity sary ity, milaza ny iray amin'ireo trano fandihizana amin'ny alina ny pejy izay nanambara ny fanapahan-keviny hikatona satria nahazo baiko hanajanona ny fanomezana zava-pisotro misy alikaola sy filalaovana mozika aorian'ny 11 alina.
Pejy Facebook hafa indray لا للسكوت على تجاوزات النهضة (Tsy Hangina manoloana ny fihoara-pefy ataon'ny Ennahda) nandefa sary maromaro mitsikera sy mamazivazy an'ny Ennahda, olona iray avy amin'ny YouTube malaza Toniziana antsoina hoe “Jalel Brick” ny iray amin'izy ireo izay nanambara tamin'ny vahoakan'ny Sidibouzid taorian'ny fifandonana fa nahazo ny mpanohana ny Ennahda izy ireo tamin'ny voka-pifidianana.
Ary ity lahatsary hafa ity kosa mitodika any amin'ny olon-droa mpifankatia izay milaza fa afaka mahazo vola any amin'ny Ennahda mba hanambadiana, nalefan'ny pejy ihany koa, mba hilazana fa vidian'ny Ennahda ny vahoaka amin'ny fanomezana tolotra tahaka izao.Pejy hafa kosa indray nanana fomba samihafa ary mitady sonia an-tapitrisany hitondrana ny Ennahda any amin'ny fitsarana, ny fomba nitsarana ny antokon'ny fitondrana teo aloha taorian'ny revolisiona.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...