Vao maraina be ny 16 Novambra, notanterahan'ny manampahefana Irakiana ny famonoana ho faty an'ilay Toniziana, 27 taona, izay voaheloka ho nanao asa fampihorohoroana tany Iraka. Niditra tany Iraka i Trigui fony mbola izy 19 taona monja.
Ny 20 May 2006, nosamborin'ny tafika Amerikana izy, ary taty aoriana kely, io taona io ihany, dia nohelohin'ny fitsarana ao Bagdad ho faty izy noho ny fanondroana azy ho nandray anjara taminà fanapoahana baomba tamin'ny toeram-pivavahana Shi'a iray isan'ny masina indrindra. al-Askari shrine, tao an-tanànan'i Samarra, ary famonoana mpanao gazety iray avy amin'ny fahitalavitra Al-Arabiya, Atwar Bahjat. Ilay fanapoahana baomba dia nandrehitra ny afon'ny tsy fifandeferana ara-pinoana teo Sunnits sy ny Shi'ites tao Iraka.
Tamin'ny 2009, ary noho ny tsy fahampian'ny porofo, nahantona aloha ilay fanamelohana azy ho faty, ary nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina i Trigui noho ny fidirana ”tsy nahazoana alàlana ny faritra Irakiana.” Manamafy ny fianakaviany fa, ny Febroary 2011, ary tao anaty antso an-telefaona, no nilaza tamin'izy ireo izy fa izy dia nosaziana ho faty indray – fitsarana tsy natrehiny.
Nanoratra [ar] ny rainy tao amin'ny pejy Facebook “Tous pour que Yosri Trigui rentre chez lui ,en tunisie [fr]” ( Isika Rehetra Miara-mirona Hamerina an'i Yosri Triqui hody any Tonizia):
Tamin'ny Jolay 2011, Amnesty International dia nangataka tamin'ny manampahefana Irakiana mba hanolo ilay fanamelohana ho faty mahazo an'i Trigui, izay ”voaheloka ho faty taminà fitsarana toa tsy nanaraka akory ny fepetra iraisam-pirenena ho an'ny fitsarana tsy miangatra”, hoy ilay fikambanana ao anatin'ny fanambaràny.
Araka ny ambaran'ny Amnesty, Trigui dia isan'ireo olona 11 nenjehina noho ny asa fampihorohoroana, tsy maintsy hahantona amin'ny 16 Novambra.
Nampizarazara ireo Toniziana mpiondana aterineto ny famonoana an'i Trigui. Misy ireo mino, fa noho ny nandraisany anjara tamin'ny famonoana olona am-polony maro tsy mana-tsiny, dia mendrika azy ny fanamelohana azony
@djerbafr nandefa siokantsera hoe [fr]:
avant de pleurer l’exécution de #yossritriki ayez une petite pensée pour la famille des centaines de ses victimes!
Le supplice du Pal manampy hoe:
ce n'etait q'un terroriste… pourquoi s'indigner
Ireo izay tohina tamin'ny nahazo an'i Trigui dia manamafy fa ny fitsarana azy dia tsy araka ny fenitra iraisam-pirenena, ary mety ho voasàsa atidoha izy no nahatonga azy hahavita zava-doza toy izany.
Ilay bilaogera, Tarek Kahlaoui, dia nanakiana ny governemanta tetezamita ankehitriny ho tsy nanao na inona na inona hamonjena azy [ar]:
Tarek Kahloui dia nandrisika ny manampahefana Toniziana mba hirotsaka an-tsehatra ho famonjena ny ain'ireo Toniziana hafa voaheloka ho faty ao Iraka.
Tarek Cheniti manipika hoe [fr]:
Dégouté par l’annonce de l’exécution de Yosri Trigui en Irak. Stop à toute cette violence y’en a marre.
Ho fanoherana ilay famonoana, Toniziana iray mpijirika antsoina hoe GlaDiaT0R no nitsofoka tamin'ny pejin'ny Vohikalan'ny Ministeran'ny Solika Irakiana. ”Tsy adinonay, Tsy ho avelanay, tsy hoe tsy misy anarana izahay, Toniziana izahay. Ho avy izahay’ io no hafatra navoakan'ilay mpijirika, somary nakàna tahaka ny fomban'ilay vondrona iraisam-pirenen'ny mpjirika, Anonymous.
Mandritra izany, ny mpanoratra ilay bilaogy Boukornine dia miampanga an'i Yosri, rainy, sy ny mpitarika Islamista Rached Ghannouchi, ary ireo Toniziana vato nasondrotry ny tany [fr]:
J'accuse Yosri Triqui de naïveté, de bêtise, d'avoir été embobiné, endoctriné, manipulé (…)Je l'accuse… d'avoir faussement rassuré l'opinion publique(…)J'accuse l'élite tunisienne de ne pas guider cette jeunesse (…)J'accuse le père de Yosri Triqui de glorifier la mort bête et inutile de son enfant, de ne pas s'avouer qu'il a échoué dans son éducation, qu'il n'a pas été là pour le guider quand il a commencé à avoir ces idées macabres (…)Ton départ me torture, Yosri. Ton exécution me hante, je te regarde mais ne vois pas de terroriste.
Faranan'ny mpanoratra amin'ny hafatra iray ho an'ny ray aman-dreny rehetra ilay lahatsoratra :
Expliquez à vos enfants que le plus intense et le plus glorieux des djihad est de réussir à l'école, de devenir un bon citoyen, de trouver un boulot, de fonder une famille et de vivre heureux