Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Septambra, 2018
Raha niezaka nampianatra ny Alemà momba ny Nazisma ny Breziliana sasany, ny hafa kosa niala tsiny tamim-pahamenarana
Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary malaza tany Brezila ny manamafy fa ankavia i Adolf Hitler sy ny antokony Nazi; Mifototra amin'ny zava-misy tsotra sy mazava ara-bakiteny ny hevitra fa ny dikan'ny anarana fenon'ny antokony dia hoe "Antoko Sosialista Nasionalin'ny Mpiasa. Ary ny "sosialista" dia mitovy amin'ny hoe ankavia, marina ve izany?
Sary avy any Brezila: Ireo loholona voampanga ho “mpandainga”
Ny graffiti eo amin'ny rindrina, hita tany Buenos Aires, saingy azo ampiharina ihany koa any Brezila mivaky hoe "Loholona, Mpangalatra!." Hoy i D.R Lynch avy any São Paulo, Brezila tao amin'ny fanazavana hoe:
Nalahelo i Brezila satria lasa lavenona ny harena tranainy indrindra tao amin'ny Mozeam-pirenena
Vaky fo ny Breziliana tamin'ny alahady 3 septambra taorian'ny nahamaizan'ny Mozea Nasionaly, ny tranainy indrindra ao amin'ny firenena ary azo antoka fa mpiambina ny tantara voajanahary sy ny angona haiolona (antropolojia) lehibe indrindra ao Amerika Latina.
Mpanoratra nasongadina: Diego Casaes
Nanambintana aho nihaona tamin'i Diego Casaes, mpanoratra nanolo-tena tato amin'ny Global Voices sady mpandika teny avy ao Salvador, Brezila. Ny ankamaroan'ny soratr'i Diego tato amin'ny Global Voices dia nampielezana fanairana momba ny fandrahonana ara-panaovandalàna sy fahafahana an-tserasera Brezila, toy ilay "Volavolan-dalàna Azeredo"