Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2007

Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Novambra, 2007

30 Novambra 2007

Brezila : Manavotra ny reniala sady ahafahana mamahana olona bebe kokoa

Mba vangio kely ny blaogin'i Lou Gold raha sitrakareo ny hahafantatra momba ny tantara mahatsikaiky, mikasika izay fomba nanatsaran'ireo foko tranainy any Brezila ny tany mavo sy ngazana ho tany mainty sy tena mahavokatra tokoa izay mampiharihary fa misy fomba fitrandraka hafa izay manavotra ny reniala sady ahafahana mamahana olona bebe kokoa ?...

27 Novambra 2007

Brezila : Herisetra atao ny vehivavy

Ny mpiblaogy Marcelo Tas any Brezila dia mampitaha raharaha roa mikasika herisetra izay nosedraina vehivavy monina amin'ny faritra roa samihafa sady mifanalavitra eto an-tany. Tany Abaetetuba, any Brezila, nisy tovovavy iray voasazy ka nampiraisina efitrano figadrana tamina 20 lahy. Ny voka-dratsin'izany [fanapahan-kevitra izany] dia ny fanolanan'ireo mpiray efitrano azy im-betsaka nifanesy. Tany Arabia Saodìta indray, nisy...

20 Novambra 2007

Fanjakana Mitambatra (UK) : Omeo rariny itompokolahy Jean Charles de Menezes

Ny mpiblaogy Joty dia mitatitra fa hivory ny Alakamisy 22 Novambra 2007 izao ny Sampandraharaha mikasika ny Polisy an-tanan-dehibe Anglisy [MPA | Metropolitan Police Authority] handray fanapahan-kevitra momba izay hanamelohana na tsia an'i Ian Blair, Polisy Anglisy nitifitra an-doha sy namono an'i Jean Charles de Menezes, tsy manan-keloka Breziliana, tamin'ny taona 2005  :...

19 Novambra 2007

Brezila : Ilana fanavaozana ny fiheverana ny fanavaozana

Ny mpiblaogy Nivaldo Simões monina any Brezila dia mampiharihary izay lesoka goavana amin'ny fiheverana ny fanavaozana [recyclage | recycling] araky ny fahita any Brezila sy any amin'ireo firenena mandroso rehetra ankehitriny, ny ady amin'ny fitombon'ny fako no tokony ho voalohany raha tsy izany dia maro kokoa ireo olana noho izay...

18 Novambra 2007

Brezila : Tsy misy Aterineto efa ho 95 ora, 43 min, 17 sek, dia mbola mitohy …

I Gabriela Zago izay voatery miblaogy avy any amin'ny Cyber any Brezila nanomboka tamin'ny Talata nohon'ny fahatapahan'ny tambanjotra Aterineto tao an-tranony, dia mitantara fa ny tolotry ny orinasa Brasil Telecom dia vao mainka miha-ratsy : « Pelo telefone, informaram que os fios de conexão haviam sido furtados, mas que o...