Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Avrily, 2016
Amin'ny Volavolan-dalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Ao Brezila, Lasa Miasa Ho ‘Andrimasom-Pokonolona’ Ny Media Sosialy
"Raha misy olona manala baraka mpanao politika ao amin'ny sehatra haino aman-jery sosialy, voatery hanaisotra ny votoaty ao anatin'ny 48 ora farafahaelany ilay sehatra. Raha tsy izany, miara-tompon'andraikitra amin'izany votoaty izany ihany koa ilay orinasa ary tsy maintsy manonitra amin'ilay mpanao politika nalaina baraka. ."
Graffiti 27 Manodidina An'i São Paulo Tsara Ho Fantatrareo
Raha hita sary ao amin'ny boky taridalan'ny fitetezan-tany iraisampirenena ny sary nataon-tanana an-drindrina ao afovoan-tanàna, dia tsy fantatry ny maro, eny fa na izay monina amin'ity tanàna lehibe indrindra ao Amerika Latinina ity kosa, ireo sary nataon-tanana an-drindrina miranty eny amin'ny sisintsisin'ny tanàna.
Tsy Maintsy Mianatra Momba Ireo Paortigey Mpanoratra Ve Ireo Breziliana Mpianatra ?
Malahelo ireo sasany fa ho esorina ao anaty fandaharam-pianarana ireo paortiogey mpanoratra, ireo hafa maniry ny literatiora afrikana sy amerikana-latina ho atao lohalaharana.
#IamSyrian, Hetsika Mahatonga Ny Syriana Tsirairay Ho Afa-Mirehareha
Naka ny lanonana fizazana Oscar i Moustafa Jacob, mpanakanto Syriana, mba hanombohana ny fanentanana #IamSyrian. Tsy nampoiziny hahazo firaisankina iraisampirenena miaraka amin'ny Syriana ny hetsika nataony.
Torolalana Hahatakaranao Ny Fizotran'ny Krizy Politika Ao Brezila
Misangodingodina haingana ny zava-mitranga any Brezila tanatin'ny iray volana mahery izay, ary miova haingana dia haingana ny toe-draharaha ka raha tsy miserasera kely ianao dia mety ho tsy fantatrao akory ny vaovao mipoaka farany indrindra.
Fikaroham-bola Ho An'ny Horonantsary Fanadihadiana Mikasika Ilay Vehivavy Mainty Voalohany Solombavambahoaka Tao Brezila
Ireo mpamokatra sarimihetsika no nandefa fanentanana ho famoriambola eny ifotony, hitadiavana 6.000 Dolara mba hamatsiana ny famokarana kapila mangirana DVDs miisa 1.000, izay ho zaraina maimaimpoana amin'ireo sekoly, ireo anjerimanontolo, ireo tranomboky, ary ireo ivon-toerana ara-kolontsaina.
“Thérèse Kely”-n'i São Paulo Miady Amin'ny Haintany Sy Ny Fahambonian'ny Lehilahy
Miarina avy tamin'ny haintany naharitra ela ilay tanàna lehibe indrindra ao Brezila, saingy nisy vokatra tsara azo tsapain-tanana ny fiantraikany. Vehivavy iray no nahita an'izany ho sahala amin'ny fotoana hanetsehana ny vondrom-piarahamonina manontolo.