· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Aogositra, 2012

Brezila: Resaka Fanamboniana Kokoa Ny Lehilahy Mandritra ny Olaimpika

  15 Aogositra 2012

Momba ny Olaimpika ao Brezila,  niteraka adihevitra teo amin’ny fampahalalam-baovao an’olo-tsotra ny fitantarana nataon’ny fampahalalam-baovao mahazatra mikasika ny ireo atleta vehivavy,  miteraka fanoherana ny fomba fandefasana sy fitantarana mivantana ny Olaimpika. Bilaogin’i Ativismo de Sofá naneho hevitra momba ilay vaovao  milaza fa matavy loatra ilay mpilomano  Aostraliana. Ankoatra ny filazana ny adihevitra tao...

Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana

  14 Aogositra 2012

Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana  ireto sary sy lahatsary manaraka ireto. Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny...

Tetikasa “Namana ao Januária” ao Brezila : Fanadihadiana Momba ny Fahasalamam-bahoaka Sy Ny Fiarovana

Rising Voices  07 Aogositra 2012

Manohy ny asany amin’ny fanaraha-maso ireo ekipa monisipaly ao amin’ny tanànan’i Januària, ao amin’ny faritra Minas Grais ao Brezily ireo mpandray anjara amin’ny tetikasa fanaovan-gazety  an’olo-tsotra Amigos de Januária. Ity tetikasa izay  tohanan’ny Rising Voices  ity dia manome fiofanana ho an’ireo tanora, fiofanana maharitra fito herinandro izay mikasika ny asa fanaovan-gazety...

Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana

  04 Aogositra 2012

Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy' tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.