Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Jolay, 2011
Brezila: Tatitra Miampanga Ny Fomba Ratsy Fanao Tsy maharitra ataon'ireo Orinasa Mpamokatra Angovo Avy Amin'ny Zava-maniry
Ny solika avy amin'ny zava-maniry dia nohobiana ho ny fomba tsara indrindra hivoahan'ny tontolo amin'ny ady fikarohana loharanon'angovo. Nolazaina ihany koa fa ity no vahaolana "maitso" afaka mampidina ny fandefasana entona karbôna. Manambara anefa na izany aza ny fanadihadihana iray nataonà ONG Reporter Brazil (mitatitra momba an'i Brezila) [pt], ny volana May farany teo, momba ny sehqa-pamokarana alikaola (ethanol) Breziliana fa ny solika avy amin'ny zava-maniry dia mety ho vidiana lafo eo amin'ny ara-tsosialy sy tontolo iainana
Brezila: Tanàna 40 Nanatanteraka Ny Diabe Ho An'ny Fahafahana
Tanàna Breziliana 40 no hipoka ny arabeny noho ny Diabe ho an'ny Fahafahana ny Sabotsy 18 Jona 2011.Fifangaroana antoko, fikambanana, mpanao fihetsiketsehana, rafitra maro ary vahoaka tsy mankasitraka no nivory eraky ny tanàna mikatsaka sy mitaky ny fahafahana