Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Avrily, 2018
Mpanolotsaina monisipaly sady mpitarika amin'ny fiarovana ny zon'olombelona novonoina tao afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro
Nofidin'ny Antoko Sosialista sy Fahalalahana (PSOL) amin'ny maha-mpanolotsaina fahadimy be mpifidy indrindra ao Rio de Janeiro i Marielle Franco tamin'ny 2016, renivohitra faharoan'i Brezila ary misy mponina maherin'ny enina tapitrisa. Azo heverina ho famonoana ivelan'ny fitsarana ny famonoana azy.
Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA
Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.
Vaovao Diso Ezahan'ny Mpitsara Ao Brezila Sakanana Lasa Manome Fahefana Ho An'ny Facebook Hanao Sivana

Nanome baiko ho an'ny Facebook mba hamafa izay lahatsoratra rehetra ankehitriny manevateva ny "sary, voninahitra sy ny fiainana manokan'ilay" mpanao politika maty nisy namono Marielle Franco -- sy ny lahatsoratra ho avy tahaka izany ny mpitsara Breziliana. Mety hiteraka ohatra mampidi-doza ho an'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena izany.