Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Jona, 2015
Brezila : Vokatry Ny Asa Ataon'ny Banky Iraisam-pirenena, Tsy Mahazo Rano Fisotro ireo Vondrom-piarahamonina Ao Sertão de Ceará (Ampahany 1)
Nafindra toerana tsy narahana fampiharana izay fepetra sy zo nofaritan'ny fitsipik'ilay fikambanana iraisam-pirenena akory ireo mponina voadona tamin'ny asa fanorenana ireo tohodrano novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Fanadihadian'ny Agência Pública.
Hitan'ny Fanadihadiana Fa Maro Kokoa ny Eoropena Mifindra any Amerika Latinina Noho ny Mifanohitra Amin'izany
Asehon'ny tahirin-kevitra fa mihoatra ny 181.000 ny Eoropeana nandao ny fireneny tamin'ny 2012, raha ampitahaina amin'ny Amerikana Latinina 119.000 mandeha any Eoropa.
Mifandrirotra Amin'ny Saina Kônfedere ny Fanjakan'i Etazonia, Manofahofa Izany Amim-Pireharehana ny Tanàna Iray any Brezila
Taorian'ny fahavitan'ny Ady an-trano Amerikana tamin'ny 1865, nandositra nankany Brezila ny mpikambana ao amin'ny konfederasiona. Mbola monina ao amin'ny faritra ihany ny [taranany] ary manofahofa ny saina kônfedere.
Fandrosoana Mahafinaritra Vitan'ny Matildas Tafakatra Ampahaefadalana Mondialy Vehivavy: Aostralia 1 Brezila 0
Nahaankona tokoa ny zavabitan'ny Matildas Aostraliana nandresy an'i Brezila (1-0) ka nahatrarany ny ampahaefadalana amin'ny Mondialy vehivavy tontosaina any Canada.
#SomosTodosLorena: Fihetsiky Ny Governemanta Manoloana Ny Fanavakavaham-bolokoditra Nitranga Tany An-tsekoly
Naresaka tao amin'ny tambajotra sosialy ny tantaran'ilay ankizy vavy 12 taona niharan'ny fanavakavaham-bolokoditra tany am-pianarana tao Brezila ary nahasarika ny sain'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona sy ny Vitsy An'isa ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny minisitry ny Fampianarana ihany koa.
Tao Anatin'ny Horonan-dahatsary, Misaotra An'i Brezila Noho Ny Fandraisan'azy Ireo Ny Mpitsoa-ponenana
Araka ny tatitry ny Komitim-pirenena Breziliana hoan'ny Mpitsoa-ponenana (CONARE), olona 7.700 avy amin'ny firenena 81 no manana ny sata maha-mpitsoa-ponenana ara-dalàna, ka avy ao Syria, Kolombia, Angola ary ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny ankamaroan'izy ireo.