Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Mey, 2014
Kolonely Breziliana, Maty Iray Volana Taorian'ny Niekeny Fa Nampijaly Olona Izy
Nisy namono tao an-tranony tamin'ny volana Aprily i Paulo Malhães, miaramilam-panjakana misotro ronono, 76 taona. Niaiky izy tamin'ny volana Martsa, fa nampijaly ary namono olona nandritra ny fotoana mainty nisian'ny jadona teo amin'ny firenena.
#NETmundial2014: Manjavozavo Ny “Fanambarana ny Zo” Momba Ny Aterineto Notontosaina Tao Brezila

Mitatitra vaovao mivantana avy ao amin'ny NETmundial, fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny aterineto izay notontosaina tamin'ny 23-24 Aprily teo tao Sao Paulo, Brezila ireo mpikambana ao amin'ny Advox, Marianne Diaz sy Sarah Myer.