Raha niezaka nampianatra ny Alemà momba ny Nazisma ny Breziliana sasany, ny hafa kosa niala tsiny tamim-pahamenarana

Ao amin'ny lahatsary mitondra ny lohateny hoe “ahoana ny fomba ampianaran'izy ireo ny tantara any Alemaina”, hoy ny Masoivoho ao amin'ny firenena: Tsy manafina ny lasan'izy ireo ny vahoaka Alemà Sary: Reproduction/Facebook

Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary malaza tany Brezila ny manamafy fa elatra ankavia i Adolf Hitler sy ny antokony Nazi; Mifototra amin'ny zava-misy tsotra sy mazava ara-bakiteny ny hevitra fa ny dikan'ny anarana fenon'ny antokony dia hoe “Antoko Sosialista Nasionalin'ny Mpiasa. Ary ny “sosialista” dia mitovy amin'ny hoe ankavia, marina ve izany?

Tsy marina izany, mazava ho azy. Saingy, nipoitra indray ny teoria mahatsikaiky teo amin'ny Breziliana rehefa avy nandefa lahatsary manazava ny fanomezan-danja ataon'i Alemaina “mahafantatra sy mikajy ny Tantarany, ka tsy voatery hamerina izany izy” ny Masoivohon'i Alemaina ao Recife, Pernambuco, any amin'ny faritra avaratra-atsinanan'i Brezila

Tao anatin'ny minitra vitsy monja, manontany izay mety hitranga ilay lahatsary, izay efa nisy nijery in-829.000 tamin'ny fotoana nanoratana hoe “rahoviana no hiverina eto an-tanindrazana ny elatra havanana hiringiriny”? Novaliany tamin'ny fomba fiteny avy amin'ny minisitry ny Raharaham-bahiny Heiko Mass hoe:

“Mila manohitra ireo hiringiriny avy amin'ny ankavanana isika, tsy tokony hanadino azy ireo isika, tsy maintsy manandrina ny tavantsika amin'ny neonazis sy ny anti-Semita isika (…) Normaly ny hoe izay rehetra manohitra ny Nazis dia tsy avy amin'ny ankavia”.

Taorian'ny famoahana ilay lahatsary, feno fanehoan-kevitra avy amin'ireo vondrona ankavanana ny pejy ofisialin'ny Masoivoho, manontany ny fomba fijerin'ny Alemà manokana ny Nazisma:

Lazain'ny masoivoho Alemà izay tian'izy ireo hinoanao. Ny ampahany ratsy indrindra dia ireo fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpahay tantara izay tsy namaky akory ny boky tantara an-tsary. Tsy avy amin'ny ankavanana velively ny Nazisma. Tsy maintsy mijery ny tantara voasoratra fotsiny ianao. Vendrana ireo izay mino izay rehetra lazain'ny olona.

Mpaneho hevitra iray hafa tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Masoivoho Alemana kosa nanadihady ny filazan'ilay horonan-tsary fa namorona lalàna ny firenena tamin'ny taona 1976 izay mandràra ny olona hametraka fanontaniana momba “ny fahamarinan'ny Fandripahana, satria nampibaribary ity sangy ratsy ity ireo manam-pahaizana.” Namaly ny olona iray hafa, ary nilaza fa “efa voaisa ireo andron'ny “Holofraud”.”

Tamin'ny volana Mey, nisioka fanambarana fanohanana ny teoria ilay mpanolotra vaovao menavazana avy amin'ny TV Globo, Alexandre Garcia:

Tianao ve aho hilaza  ny anaran'ny antoko Nazi an'i Hitler? Nationalsozialistische Deutsche Arbeiterpartei. Midika hoe. Antoko Sosialistan'ny Mpiasa Alemà. Ekeko fa mazava izany. Araka ny fomba fampiasan'izy ireo, tsy kisendrasendra izany.

Tamin'ity indray mitoraka ity, dia haingana ny fanehoan-kevitra. Raha nanala-baraka ny firenena ny Breziliana sasany (izay ratsy kokoa ny vazivazin'ilay mpisera Twitter iray noho ny fanomezana isa 7 sy 1 tamin'ny Amboara Manerantany 2014), ny hafa kosa miala tsiny tamin'ny tenin-dry zareo:

Diso ny masoivoho Alemana. Little Joe avy any amin'ny mpivarotra enta-madinika, izay mba nahazo ny vaovao avy amin'ny sary-sy-soratra WhatsApp no marina.

Namorona fehezan-teny vaovao indrindra amin'izao fotoana izao ny mpiserasera iray:

One user even coined a new term especially for the moment:

BRAZILIANSPLAINING: Miezaka manazava amin'ireo ALEMA mikasika ny natao hoe NAZISMA sy ny FANDRIPAHANA ireo Breziliana falifaly izay tsy mba niraharaha ny politika mihitsy (saingy nahita horonan-tsary roa tato anatin'ny volana vitsy, ary nanatevin-daharana ny vondrona Facebook ary ankehitriny, mino ny tenany ho manampahefana MAXIMUM amin'io raharaha io).

Taorian'ny adihevitra, tamin'ny tafatafa ho an'ny gazety O Globo, nanambara ny ambasadera Alemà ao Brezila, Dr. Georg Witschel, fa “hadalana ny filazana fa ankavia ny Nazisma”.

Manazava bebe kokoa

Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny gazety El Pais, Damaris Jenner, mpitondratenin'ny gazety ho an'ny Masoivoho, nanazava ny fomba nahatongavan'izy ireo tamin'ny hevitra:

In an interview with the newspaper El Pais, Damaris Jenner, the press spokesperson for the Embassy, explained how they came up with the idea for the video:

“Na semana em que pensamos em fazer esse vídeo, aconteceram as manifestações em Chemnitz e vários jornais brasileiros noticiaram”, diz ela. Os protestos foram realizados por militantes da extrema direita desde o final de agosto contra a morte de um alemão, supostamente esfaqueado por dois imigrantes, e que terminaram em atos de violência. “Achamos que seria interessante ligar esses dois assuntos para mostrar essa discussão na Alemanha”, afirma Jenner. Mas a reação dos internautas surpreendeu. “Não imaginávamos que repercutiria dessa forma”, diz.

Ny herinandro izay niheveranay hanaovana io horonantsary io, dia nisy ny fihetsiketsehana tao Chemnitz ary fampahalalam-baovao Breziliana maromaro no nitatitra izany”, hoy izy. Notarihan'ireo mpikatroka elatra havanana mahery fihetsika hatramin'ny faran'ny volana Aogositra ny hetsi-panoherana ny fahafatesana lehilahy Alemà iray, izay voalaza fa notsatohan'ireo mpifindra monina roa tamin'ny antsy, izay niafara tamin'ny herisetra bebe kokoa. “Nieritreritra izahay fa mety hahaliana ny mampifandray ireo lohahevitra roa ireo mba hampisehoana an'ity adihevitra ity any Alemaina”, hoy i Jenner. Nahagaga azy ireo ny fanehoan-kevitra. “Tsy azonay an-tsaina fa hisy vokany tahaka izao izany.”

Nilaza ihany koa taratasy fa misy ny voambolana Alema mamaritra ity fizarana ity: Fremdschämen—raha menatra noho ny fihetsika nataon'ny olon-kafa ianao.

The paper also mentions that there is a German word to describe this episode: Fremdschämen—when you’re ashamed by somebody else’s actions.

Niezaka namarana ny adihevitra ny gazetiboky SuperInteressante, manazava fa nifanakaiky kokoa tamin'ny ankavanana ny Nazisma fa tsy ny ankavia. Na dia eo aza ny fitondrana ny “sosialista” amin'ny anarany, naniratsira ny komonisma endrika Sovietika ny fitondrana ary niankina bebe kokoa tamin'ny fahalalahana ara-toekarena, izay rafitra ara-politika zatra mifandray amin'ny ankanana.

The magazine SuperInteressante tried to put the discussion to rest, explaining that Nazism was much more aligned to the right than to the left. In spite of carrying “socialist” in its name, the regime despised Soviet-style communism and leaned more toward with economic liberalism, a political system traditionally connected with the right.

Mais importante do que estar à direita ou à esquerda, o que realmente definia as políticas e os objetivos de Adolf Hitler não era nem o capitalismo nem o socialismo: era o racismo. O nazismo, da forma como se consolidou na década de 1930, era caracterizado por um nacionalismo para poucos, os alemães “arianos”. Qualquer outro grupo que não se encaixasse nisso não poderia participar do Estado alemão.

Zava-dehibe kokoa noho ny hoe ao anatin'ny ankavanana na ankavia, ny tena namaritra ny politika sy ny tanjon'i Adolf Hitler dia tsy kapitalisma, na sosialisma velively: fa (rasisma) fanavakavahana. Niavaka tamin'ny nasionalisma ho an'ny olona vitsivitsy, ny Alemà “arians” ny Nazisma, sy ny fomba nanamafisany orina azy tamin'ny taona 1930. Ny vondrona hafa rehetra izay tsy sahaza an'izany hevitra izany dia tsy navela ho isan'ny Fanjakana Alemana.

Iray amin'ireo fizarana mahery setra indrindra teo amin'ny tantara” ny Fandripahana. Niafara tamin'ny fahafatesana an-tapitrisany ny “Vahaolana Farany” nataon'ny Nazi, drafitra hamongorana ireo jiosy avy amin'ny fireneny sy ireo tany resin'ny fitondrana. Ary, araka ny fanazavan'ny BBC:

The Jews were not the only victims of Nazism. It is estimated that as many as 15 million civilians were killed by this murderous and racist regime, including millions of Slavs and ‘asiatics’, 200,000 Gypsies and members of various other groups. Thousands of people, including Germans of African descent, were forcibly sterilised.

Tsy ny Jiosy ihany no lasibatry ny Nazisma. Tombanana fa sivily 15 tapitrisa no novonoin'ity fitondrana mpamono olona sy mpanavakava-bolon-koditra ity, anisan'izany ireo Slavy sy ‘aziatika’ an-tapitrisany, Gypsies 200.000 ary mpikambana amin'ny vondrona maro hafa. Olona an'arivony, anisan'izany ny Alemà taranaka Afrikanina no noterena tsy hiteraka intsony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.