Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Novambra, 2012
29 Novambra 2012
Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila
Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do...
27 Novambra 2012
Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.
23 Novambra 2012
Vehivavy Afro-breziliana, Ngita Volo Sy Fahatsiarovantena Mainty
“Afaka asarakorako ny volo rehefa handeha hianatra, saingy tsy tiako. Satria lasa maina ary manjary ratsy tarehy be. Ratsy be ny voloko”. Ankizivavy kely no nilaza toy izay tao amin'ny habaka-lahatsary fanadihadiana Raíz Forte [pt:Faka Mafy] mikasika ny vehivavy mainty hoditra Breziliana amin'ny fikarakarany ny volony amin'ny sarangan-taona rehetra. Araka ny...
21 Novambra 2012
Anaran-tsehatra: Fanehoan-kevitra Mendrika Ho Arovana

Ny Initiative for Freedom of Expression on Internet (iLEI, ho an'ny anarana Espaniola niaviany), fandaharanasa manokana an'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy ny Fidirana Hahazo Vaovao ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo ao Arzantina, dia manana asa vaovao ibanjinany ny fifandraisana misy eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny anaran-tsehatra, ary...
19 Novambra 2012
Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio

Ny tetikasa 'Filàna fototra ny Fahadiovana' nosokafan'ny Fikambanana Meu Rio, dia nijoro ho modely amin'ny fampitomboana isa an' ireo fanentanana fanerem-bahoaka an-tserasera natsangan'ireo olom-pirenena sy ireo hetsi-piaraha-monina cariocas. Araka ny hevitry ny Fikambanana, 'Ny antsasaky ny mponina ao Rio de Janiero hatramin'izao dia tsy mbola manana rano sy famoahan-drano maloto".
15 Novambra 2012
Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa
Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony,...
07 Novambra 2012
Mpilatro Breziliana Lasa Mpangataka Niteraka Adihevitra Ara-Panavakavaham-bolonkoditra
Lava, manga maso ary mirakotra bodofotsy rehefa mirenireny eny amin’ny lalana Curitiba, ao atsimon’i Brezila, Rafael Nunes, mpilatro Breziliana taloha (ankehitriny fantatra toy ny mpangataka tia maka sary ao Curitiba) nanjary nahasarika ny sain’izao tontolo izao rehefa nivezivezy sy nalaza tao amin’ny Facebook sy Twitter ny sariny sy ny tantarany....
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...