Mitady Tonia hitarika ny fanangonam-baovao Okraina ny Global Voices

 

Sary an-drindrina ao Kyiv. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ny lafiny rehetra ao Okraina ve ianao? Mientanentana ve ianao amin'ny famolavolana hevitra ho tantara, ranty media sosialy, ary famoahana ranty hafa amin'ny vondron'olona samihafa?

Raha mamaly “eny” amin'ireo fanontaniana etsy ambony ianao, dia mety hihevitra ny hisoratra ho eo amin'ny toeran'ny Toniam-paritr'i Ukraine.

Ny Toniam-paritra no ho tompon'andraikitra amin'ny fanitsiana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices sy amin'ny fanoratana tantara momba an'i Okraina. Ifantohan'ny tantaran'ny Global Voices ny lohahevitra toy ny kolontsaina an'aterineto, ny fahalalahana miteny anjotra, ny zo ara-teknolojia sy ankihy, ny zon'olombelona, ​​ny fahasamihafàna sy ny fisoloantena, ary ny fahasamihafam-piteny.

Ny Toniam-paritra koa dia hiara-hiasa amin'ny vondron'ireo mpandray anjara manoratra tantara, mizara hevitra hananganan-tantara, ary hametraka teti-pamolavolana ara-panoratana ho an'ny faritra amin'ny fanolorana hevitra, fizaràna fahalalana ary fanomezan-tanana ara-pitarihana.

Hahitana ireto ny asan'ny Tonia:

  • Mitarika sy mamolavola ekipa tompon'andraikitra amin'ny fitateram-baovao momba an'i Okraina
  • Manoratra, manamarina ny zava-misy ary manitsy tantara anasongadinana ireo lohahevitra tena maharesy lahatra sy manan-danja indrindra avy amin'ny loharano anjotra ao Okraina
  • Maharaka ireo tantara, sahoan-dresaka sy fironana ao amin'ny media sosialy sy ny fampitam-baovaon'olompirenena ao Okraina
  • Mamolavola (lisitra) loharanom-baovao anjotra azo antoka sy voamarina manerana ny faritra misy azy
  • Manamora fivoriana ara-pamoahan-dahatsoratra hanangonana sy hamolavolana hevitra sy fitarihana amin'izao zava-mitranga ao amin'ny faritra
  • Manatrika fivoriana sy mandray anjara fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny efitrano famoaham-baovao Global Voices sy sampanasa hafa
  • Miara-miasa akaiky amin'ireo media mpiara-miombon'antoka mba hifantina sy hamaritra indray ireo tantara mba ho azon'ny mpihaino manerantany, ary hampiroborobo sy hamoaka indray ny tantaran'ny Global Voices ho any amin'ny tranokalan'ny mpiara-miombon'antoka.
  • Mivonon-kiasa hatrany amin'ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina amin'ny ankapobeny handray anjara amin'ny tetikasa miampita faritra
  • Miasa araka ny fitarihana ara-panoratana, araka ny asa sy ny kolontsain'ny vondrom-piarahamonina Global Voices

Ireo kandidà mendrika ho amin'ny toerana dia:

  • Mailaka tsara amin'ny teny Okrainiana
  • Tena mahay amin'ny fitenenana, fanoratana ary fifandraisana amin'ny teny anglisy
  • Mahaporofo ny fahaizany manangom-baovao sy manoratra vaovao
  • Mahay manoratra amim-pitandremana (ny resaka saropady) sy amimpahalalàna ireo lohahevitra eo an-toerana ho an'ny mpihaino manerantany
  • Manàna fahatakarana tsara momba ireo lohahevitra mifandraika amin'i Okraina, ary mahay mandanjalanja tsara ara-panoratana amin'ireo olana isam-paritra
  • Maharaka tsara ny fampitam-baovaon'olom-pirenena, ny haino vaky jery mahazatra, ny gazety ao an-toerana ary ny fahavitrihan'ny media sosialy ao Okraina, ka ao anatin'izany ny fahalalàna ny media sosialy sy feon'ny olom-pirenena azo itokisana ao Okraina.
  • Mahay ny zo ankihy, ny fahalalahana miteny, ary ny olana mifandraika amin'ny fikatrohana sy ny fahavitrihana ao Okraina
  • Mahay miara-miasa amin'ny hafa ao anatin'ny tontolon'ny asa virtoaly manontolo tsy misy rafitra voafaritra mazava
  • Ambony ny fahaiza-manao informatika.
  • Manana fidirana azo antoka amin'ny fifandraisana an'aterineto matanjaka.
  • Afa-manoka-potoana 10-15 ora isan-kerinandro amin'ny asan'ny Global Voices
  • Mahay maneho fanoloran-tena mafy orina amin'ny iraka sy ny soatoavin'ny Global Voices

Ifantenana voalohany ireo kandidà manana fahalalàna ireo fiteny ampiasaina any Okraina ankoatra ny efa fahaizana teny Okrainiana.

Global Voices dia fikambanana virtoaly manerantany. Ny milina mamelona ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices dia ekipan-tonian-dahatsoratra miasa tapakandro izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara an-tsitrapo sy mpandika teny antsitrapo manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy hita loatra amin'ny haino aman-jery mahazatra iraisampirenena.

Tsy misy fepetra ara-jeografika takiana mifandraika amin'ireo toerana ireo. Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Tsy sahirana ny mpifaninana amin'ny fametrahana ny fandaharam-potoanany manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo.

Ampirisihanay mafy ireo kandidà efa mandray anjara amin'ny tetikasa Global Voices amin'izao fotoana izao hanao fangatahan'asa.

Miasa tapakandro ity asa ity ary hifanarahana arak'asa malalaka (freelance).

Raha hangataka ilay asa:

Mandefa CV sy taratasy fahazotoana hiasa amin'ny teny anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony fa sahaza anao ilay asa ao amin'ny  jobs@globalvoices.org, ahitana andalana Regional Editor for Ukraine: anaranao. Azafady mba paingory amin'ny endrika .doc na .pdf ny taratasim-pahazotoana anao ho fanampin'ny efa nampidirana azy ao amin'ny vatan'ny mailakao.

Ny fe-potoana fara-fanolora-tena hiasa dia amin'ny 11:59pm UTC amin'ny 18 Desambra 2022.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.