33 taona lasa izay no nanomboka teny an-dalamben'i Prague ny Revolisiona Volory

Fahatsiarovana ny 17 Novambra 1989, tao Národní třída afovoan'i Prague tamin'ny 17 Novambra 2022. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ny 17 Novambra 1989 no nanamarika ny fiandohan'ny fihetsiketsehana an-dalambe milamina tany Tsekôlôvakia tamin'izany fotoana izany izay nitondra nankany amin'ny fiafaran'ny Kômonisma nanerana an'i Eoropa Afovoany sy Atsinanana. Telo amby telopolo taona taty aoriana, niaraha-notsarovana teo amin'ilay lalana niantombohan'izany rehetra izany indrindra tany Prague ny zava-nitranga, izay nofaritan'ny mpahay tantara ho Revolisiona Volory.

Voamarika iraisampirenena ho Andron'ny Mpianatra Iraisampirenena mandraka androany io daty io, hatramin'ny taona 1941, ho fahatsiarovana ny Novambra 1939, fony nanangonan'ny Nazi, izay nibodo ny tanin'i Tseky hatramin'ny taona 1938, ireo mpianatra nanao hetsi-panoherana, namonoany ny maro amin'ny mpitarika azy ireo, nandefasany olona maro hafa tany amin'ny tobim-panangonan-gadra, ary nanakatonany ny oniversite rehetra tamin'ny 17 Novambra. Narahan'ny manam-pahefana maso akaiky ny fahatsiarovana nandritra an'i Tsekoslovakia Sosialista (1948–1989) mba hahazoana antoka fa tsy havelany hivoaka izay mety ho fanakianana ny governemanta.

Izany indrindra manko no nitranga tamin'ny taona 1989, rehefa, nanohitra ny sivana ary nanao fihetsiketsehana teny an-dalambe tao Bratislava sy Prague ireo mpianatra Slovaky sy Czech, tamin'ny 16 sy 17 Novambra. Tany Prague, nilanona teo amin'ny iray amin'ireo arabe afovoany lehibe antsoina hoe Národní třída (izay midika ara-bakiteny hoe “Lalam-Be Nasionaly” izay mifandray amin'ny tantara maha Tseky azy ny mpianatra, izany dia mifangarika amin'ny mari-panondroana maha-Alemà raha mbola tanatin'ny fanjakan'Andriantokana Habsburg nanomboka tamin'ny taona 1526 ka hatramin'ny taona 1918), araka ny hita amin'ity horonantsary ity:

Na dia maro aza ny herisetran’ny polisy sy ny fisamborana ary ny daroka, dia olom-pirenena maro hafa no nanampy ireo mpianatra ny andro manaraka ary, tamin’ny 28 Novambra, nanambara ny governemanta fa ny Antoko Komonista, izay teo amin’ny fitondrana nanomboka tamin’ny taona 1948, dia tsy hanana “anjaram-pitarihana” intsony, ka izany no “namarana ho azy ny ampihimambany ara-politika teo amin'ny fiarahamonina Tsekoslovaky.

Hatramin'ny taona 2018, ny daty, izay mbola mitoetra ho fetim-pirenena, dia antsoina amin'ny fomba ofisialy hoe “Den boje za svobodu a demokracii a Mezinárodní den studentstva” (Tolona ho amin'ny Fahalalahana sy ny Demaokrasia, sady Andron'ny Mpianatra Iraisampirenena). Any Prague dia ankalazaina ao afovoan-tanàna, ao amin'ny Kianja Wenceslas sy ao Národní třída amin'ny alalan'ny fampisehoana, kabary, fisehoan'ny mpanao politika, fandrehetana labozia, arsiva sary sy feo, ary na dia ny famerenana ara-tantara aza izany rehetra izany.

Ity misy andian-tsarin'ny fankalazana tamin'ity taona ity tany Prague.

Nitangorona teo afovoan'i Národní třída ny olona mba handrehitra labozia sy hiara-mahatsiaro ny zava-nitranga tamin'ny 17 Novambra 1989. Manana fampirantiana maharitra mampiseho ireo sarin'io andro io ny ampahany amin'ity arabe ity ary lasa tsangambato fahatsiarovana ny fiafaran'ny Komonisma tao amin'i Czechoslovakia tamin'izany fotoana izany.

Národní třída ao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ity sary manan-tantara nopihan'i Tomki Němec tamin'ny Novambra 1989 ity no mampiseho fa efa fanao tamin'izany ny fombafomba fandrehetana labozia ho fahatsiarovana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpianatra. Aseho maharitra ao amin'ny Národní třída ny sarin'i Němec.

Sary Orizinaly tamin'ny taona 1989 avy amin'i Tomki Němec naranty tao Národní třída ao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ray aman-dreny maro no mitondra ny zanany ao anaty fetim-pirenena hampianatra azy ireo izany demaokrasia sy ny tsiaro ara-tantara.

Národní třída ao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Indro reny iray manazava izay nitranga tamin'ny 17 Novambra 1989 amin'ny zanany amin'ny alalan'ny fampijerena azy ireo ny fampirantiana maharitra ny sarin'i Tomki Němec.

Národní třída ao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Iray amin'ireo fanoitra lehibe nahatonga ny Revolisiona Volory ny herisetran'ny polisy, izay nifangarika tamin'ny filaminana notandrovin'ny mpanao fihetsiketsehana, izay azo jerena amin'ny iray amin'ny sarin'i Němec izay nahitana sora-baventy mivaky hoe “Fahafahana.”

Sary Orizinaly taona 1989 avy amin'izay narantin'i Tomki Němec ao Národní třída ao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Tamin'ity taona ity, ampahany amin'ny fameloma-maso indray fahatsiarovana ny fampisehoana kamiao iray avy amin'ny Czechoslovak Veřejná Bezpečnost malaza, na VB [Fiarovam-bahoaka] izay nandray anjara tamin'ny fitazonana, fanaraha-maso ary famelezana izay mitsikera ny governemanta Sosialista sy ny fotokeviny, ankoatra ny asa hafa.

Národní třída tao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Národní třída tamin'ny 17 Novambra 2022 azo nojerena ho tahaka ny tamin'ny 17 Novambra [1989]:

Národní třída tao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Anisan'ny fampirantiana ao Národní třída ireo sary sy teny notsongaina avy amin'ireo olona nandray anjara mavitrika tamin'ny fihetsiketsehana sy ny hetsika nisintaka izay nitondra an'i Václav Havel hiala ny fonja ho any amin'ny fiadidian'ny Filoha Tsekôslôvakia ary taty aoriana ny Repoblika Tseky. Izao no voatsonga eto: “Ny Revolisiona [1989] dia nanome fahafahana ahy. Ary izany no zava-tsarobidy indrindra ananako teo amin'ny fiainako.”

Národní třída ao afovoan'i Prague. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.