Nampiato ny kaonty mifandray amin'ny governemanta Kiobàna ny Twitter sy Facebook

 

Sary nataon'ny Global Voices

Ity tantara ity dia nosoratan'ny mpanoratra tsy mitonona anarana ao Kiobà ka nomena solon'anarana Luis Rodriguez.

Andro vitsivitsy talohan’ny latsa-bato momba ny ankivin’i Etazonia amin'i Kiobà tao amin'ny Firenena Mikambana, tamin'ny herinandro farany tamin'ny volana oktobra, naato na nasian’ny orinasan'ny tambajotra sosialy Amerikana Facebook sy Twitter fampitandremana ireo kaonty maromaro mifandray amin'ny governemanta Kiobàna. Tsy vao voalohany no nisy izany, hatramin'ny taona 2019 ihany koa dia nampiato ny kaonty mifandraika amin'ny governemanta Kiobàna ny Twitter. Ny tsy mbola nisy hatrizay tao Kiobà dia ny fanamarihan'ny Twitter ny kaonty sasany ho “mifandray amin'ny governemanta.”

Ho setrin'izany, efa an-taonany maro ny governemanta Kiobàna no nanivana ny fidirana amin’ny aterineto ho an'ireo Kiobàna mpanohitra sy ireo izay manohitra ny fepetra ao amin'ny firenena. Araka ny voalazan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ), i Kiobà no firenena “iharan’ny sivana betsaka indrindra ao amin’ny ilabolantany iray manontolo.”

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, niatrika krizy ara-politika sy ara-toekarena lehibe indrindra i Kiobà – ary niampita avy amin'ny tontolo mivantana mankany amin'ny tontolo virtoaly io zava-misy io. Rehefa nihalalina ny krizy, nampitombo ny fomba famoretana nataony teo amin’ny tontolon’ny serasera ny fitondrana, tsy tamin’ny alalan’ny fitsikerana manala-baraka ataon’ny fampitam-baovao amin'ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ​​mpanao gazety ary mpanakanto mahaleo tena amin'ny fampitam-baovao-panjakana ihany, fa koa amin'ny kaonty media sosialin'ireo mpitondra tenin'ny mpomba ny governemanta.

Nanakiana ny fanapahan-kevitry ny sehatra media sosialy ny La Joven Cuba, fampahalalam-baovao tsy miankina izay matetika sivanin'ny fitondrana, satria tsy manome vahana ny fahamaroana ilaina izay tokony hanjaka amin'ny seha-kevitra toy ny tontolo Kiobàna, izay lasa mitsitokotoko sy mora mifandona. “Na dia nahitana hafatra manavakavaka, mihetraketraka ary mandrahona ho faty aza ny [kaonty] sasany, dia tsy izy rehetra no nandefa an'io karazana votoaty io,” hoy izy ireo nanoratra tao amin'ny  tranonkalany.

Tamin'ny 25 Oktobra, naaton'ny Facebook ny kaonty  Razones de Cuba (izay tantanan'ny Fiarovam-panjakana Kiobàna araka ny fampahalalam-baovao ao an-toerana) sy ireo fampahalalam-baovao mpomba ny governemanta izay heverina ho mpisompatra toy ny kaonty “El guerrero cubano.”

Manana lahatsoratra iray ny Razones de Cuba, izay nanokatra dika mitovy amin'ny pejy Facebook-ny mivaky hoe “ny iraka ataon'ity gazety ity hatramin'ny nisandratany dia ny fiampangana ny fampihorohoroana sy ny asa fanakorontanana ataon'ny governemantan'i Etazonia amin'ny tontolo rehetra ao amin'ny fiarahamonina Antilleana”, saingy nanambara kosa ny fitondrana Kiobàna fa “mitady ny hampangina ny feon'ny vahoaka Kiobàna eo amin'ny tontolo nomerika” ny fanapahan-kevitry ny Facebook. Nosakanan'ny Twitter ny kaontin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra Con Filo nampiantranoin'i Michel Torres Corona, izay mbola miato ihany koa hatramin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity.

Pikatsarin'ny kaonty Twitter “Con Filo” tamin'ny 3 Novambra 2022.

Nasian'ny Twitter marika ihany koa ireo mpanohana ny governemanta Kiobàna sy ny fampitam-baovao-panjakana toy ny Cubadebate, Juventus Rebelde sy ny gazety Granma hoe “fampahalalam-baovao miankina amin'ny governemanta.” Nanomboka tamin'ny taona 2020 ity politikan’ny Twitter ity ary natao tahaka izany koa ny solontenan'ny governemanta avy amin'ny firenena maro, anisan'izany i Shina, Frantsa ary Serbia. Manazava ao amin'ny tranokalany ny Twitter fa: “manome seha-kevitra fanampiny momba ny kaonty izay fehezin'ny solontena ofisialin'ny governemanta, ny sampana fampitam-baovao mifandray amin’ny fanjakana ary ny olon-tsotra mifandray amin'ireo sampan-draharaha ireo ny marika amin'ny kaonty mifandraika amin'ny fanjakana.”

Pikantsarin'ny kaonty Twitter Granma tamin'ny 3 Novambra, voamarika ankehitriny ho “fampahalalam-baovao mifandray amin'ny governemanta, Kiobà.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.