Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara

 

Sarintany Wikipedia ahitana ny ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay, nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 3.0.

Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy?

Raha “eny” no havalinao io fanontaniana etsy ambony io, azonao atao ny mieritreritra hisoratra anarana hitazona ny toeran'ny Toniandahatsoratry ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara .

Samy ho andraikitry ny Toniandahatsoratry ny Faritra ny famoahana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny  Global Voices sy fanoratana tantara momba ny faritra. Ireo tantaran'ny Global Voices dia mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra anaty tambajotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny zon'olombelona, ny fahasamihafàna sy ny fisoloana tena, ary ny fahasamihafàm-pitenenana.

Ny Toniandahatsoratry ny Faritra koa dia hiasa miaraka amina vondrom-piarahamonina iray marolafy misy ireo mpandray anjara izay manoratra ireo tantara, mizara hevitra ho an'ireo tantara, ary mametraka ny fandaharam-potoanan'ny famoahan-dahatsoratra ho an'ilay faritra, amin'ny alàlan'ny fanolorana hevitra, fizaràna fahalalàna, ary fanomezana fitarihana.

Hita ao anatin'ny asan'ny Toniandahatsoratra ny:

  • fitarihana ny fampivoarana ny tarika tomponandraikitra amin'ny alàlan'ny fanaovana tatitra momba ireo firenena miteny sy mampiasa teny frantsay ao Afrika atsimon'i Sahara : 
  • fanoratana, fanamarinana ny zava-misy ary fikiràna ireo tantara manasongadina ireo olana tena mavesa-danja sy mahasarika indrindra avy amin'ireo loharano an-tambajotra manana ny lanjany ao amin'ny faritra
  • fanohizana ny fitazonana ny toerana voalohany amin'ny famolavolàna tantara, buzz (fambolena laza) sy fironana manerana ireo media sôsialy sy ny median'olontsotra ao amin'ny faritra
  • famolavolàna angondrakitra iray ahitàna ireo loharano azo antoka sy voamarina eny anaty tambajotra manerana ny faritra
  • fanamoràna ny fivoriana virtoalin'ny trano famoahan-dahatsoratra mba hanangonana sy handrafetana ireo hevitra, ary fitarihana momba izay mitranga ao amin'ny faritra
  • fanatrehana fivoriana sy fandraisana anjara amin'ireo adihevitra iarahan'ny mpiaramiasa avy amin'ny efitranom-baovaon'ny Global Voices sy ireo sakelika hafa
  • fiarahana miasa akaiky amin'ireo media mpiara-miombona antoka mba hisafidianana sy hamerenana manavao ireo tantara arafitra hifanaraka amin'ny mpanjohy erantany, ary fampiroboroboana sy famerenana mamoaka ireo tantaran'ny Global Voices any amin'ireo tranonkala mpiara-miombona antoka.
  • fijanonana hanolo-tena hiaraka amin'ny efitranom-baovaon'ny Global Voices sy ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa mba handray anjara amin'ireo tetikasa iraisam-paritra
  • fiasàna mifanaraka amin'ny iraka sy kolontsaina ary taridàlan'ny vondrom-piarahamonina Global Voices sy ny matoandahatsoratra.

Ireo kandidà tafita amin'ilay toerana dia tsy maintsy:

  • manana traikefa fahaizana miteny misosa tsara, manoratra, ary mifampiresaka amin'ny teny frantsay
  • manana traikefa fahaizana miteny misosa tsara, manoratra, ary mifampiresaka amin'ny teny anglisy
  • manana fahaizana voaporofo amin'ny fikarohana sy fanoratana ny vaovao
  • afaka manoratra amin'ny fomba manetsi-po sy fahatakarana tsara momba ireo olana eo an-toerana mba ho an'ny mpanjohy erantany
  • manana fahafantarana tsara ireo olana mifandraika amin'ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay ao Afrika atsimon'i Sahara, ary mahay mandanja tsara ny matoandahatsoratra momba ireo olan'ny faritra
  • manana fahatakarana tsara ireo median'olontsotra, ny media nahazatra, ny fihetsiketsehan'ny  gazety eo an-toerana sy ny media sôsialy, isan'izany ny fahalalàna izay media sôsialy sy ireo feon'ny olompirenena azo itokiana ao amin'ny faritra
  • mahafantatra ny zo nomerika, ny fahalalahana maneho hevitra, ny olana mifandraika amin'ny fikatrohana ary ny fahavitrihana ao amin'ny faritra
  • mahazo aina miaraka miasa amin'ny hafa ao anatina tontolo iray tsy voarindra ara-drafitra, tontolo virtoaly tanteraka
  • manana fahaizana avo lenta momba ny fampiasàna solosaina.
  • manana fahafaha-miditra azo antoka amin'ny fifandraisana aterineto haingam-pandeha .
  • afaka manokana ora 10-15 isankerinandro ho an'ny asan'ny Global Voices 
  • afaka manaporofo fandavantena lehibe manoloana ny iraka sy soatoavin'ny Global Voices

Hosafidiana manokana ireo mpirotsaka ka mahay ireo fiteny ampiasaina ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara, ankoatra ny frantsay sy anglisy.  

Global Voices dia fikambanana virtoaly ary maneran-tany. Ny milina manodina ny efitranom-baovaon'ny Global Voices dia tarika iray ahitàna ireo toniandahatsoratra miasa amin'ny ampaham-potoana izay miasa miaraka amin'ireo mpandika lahatsoratra sy mpirotsaka an-tsitrapo manerana ny tany mba hanasongadina ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia misy mpiteny eny anatin'ny media iraisampirenena nahazatra.

Tsy misy fepetra ara-jeôgrafika mifamatotra amin'ireo toerana ireo.  Ny Global Voices dia tsy manana birao na foiben-toerana hita maso. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanany manokana sy miasa anaty tontolo virtoaly tanteraka ireo kandidà.

Tena mahafaly anay tokoa raha mirotsaka ho kandidà ireo efa mpandray anjara ankehitriny ato amin'ny tetikasa Global Voices.

Tapa-potoana no iasàna amin'ilay toerana ary hatao toy ny fifanarahana asa amin'ny mahaleotena (freelance).

Raha hirotsaka:

Mametraha famintinana fohy sy taratasy filazana fahavononana voasoratra tamin'ny fiteny anglisy ary manasongadina ny asanao sy manazava ny antony mahatonga anao hihevitra fa ianao ilay olona tsara handray io toerana io, alefa amin'ny jobs@globalvoices.org, ka antony soratana ny hoe: Toniandahatsoratra ho an'ny Faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara: ny anaranao. Azafady, ataovy taratasy ampanarahina amin'ny endrika a .doc na .pdf ilay taratasy filazana fahavononana, ankoatry ny fampidirana azy io ao anatin'ny vataben'ny imailaka alefanao.

Ny fetra faran'ny firotsahana dia ny 4 Desambra 2022 amin'ny 11:59pm EST (GMT -4) .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.