Olona pelaka mandositra an'i Azerbaijan: Manirery, saingy afaka

Sary avy amin'i Sharaf Nagiyeva. Nozaraina araka ny fifanarahana fiaraha-miasa.

Navoaka voalohany tao amin'ny Chaikhana Media ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanaraham-piarahamiasa ara-botoaty.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy, olom-pirenena pelaka Azerbaijiana am-polony no nandositra ny tanindrazany noho ny fanenjehana ny maha-izy azy ireo. Tsy misy ny antontanisa ofisialy momba ny LGBTQ+ nandao an'i Azerbaijan, saingy mampiseho ny porofo ara-toe-java-nitranga fa mitady fiarovana any amin'ny firenena akaiky sy lavitra izy ireo.

Iray amin'ireo izay niorim-ponenana vao haingana tany Tbilisi, ao amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina ao Georgia i Pari Banu (vavy/izy ireo), queer mpikatroka sady mpanakanto. Mpanakanto ara-hitamaso sady mpilalao sarimihetsika, manana haizatra amin'ny saripika, fampisehoana, horonan-tsary, feo ary lamaody i Banu ary miresaka ireo lohahevitra tahaka ny maha-izy azy, ny herisetra ary ny fiovana.

People always tell you, “You have a penis. Act like a man!” or “You have a vagina. Behave like a woman!” But I have always been curious about what it means to be a man or to be a woman. Isn't it simply possible to move away from this primitive binary stuff? Does it really matter if somebody has a penis but they are effeminate and caring, or if you have a vagina but you are masculine and dominant? When I was a child, I passionately loved to put on makeup, wear a shirt, and perform belly dance. However, my parents were extremely strict about it, especially my father. But I've always had a brave personality. Then, I got punished for doing it. So I always just asked myself… Why? Is femininity a curse for a boy? And now, I found the answer… My absolute emancipation has always frightened others!

Matetika ny olona miteny aminao hoe: “Manana filahiana ianao. Mihetseha tahaka ny lehilahy!” na “Manana fivaviana ianao. Mihetseha toy ny vehivavy!” Saingy liana ny dikany hoe maha-lehilahy na vehivavy hatrany aho. Tsy azo atao ve ny miala amin'ity zavatra roa fototra ity? Tena zava-dehibe ve raha misy olona manana filahiana nefa vehivavy toetra amam-bika sy tia mikarakara, na raha manana fivaviana ianao nefa lehilahy toetra amam-bika sy manjakazaka? Fony aho mbola kely, dia tena tia nanao makiazy sy nanao lobaka ary nanao dihy kibo aho. Hentitra anefa ny ray aman-dreniko tamin’izany, indrindra fa ny raiko. Manana toetra be herim-po hatrany anefa aho. Avy eo, voasazy aho noho ny fanaovana izany. Dia nanontany ny tenako hatrany aho… Nahoana? Ozona ho an'ny ankizilahy ve ny maha-vehivavy? Ary ankehitriny, hitako ny valiny… Nampatahotra ny hafa foana ny fahafahako feno!

Avy amin'ny fianakaviana mpandala ny nentin-drazana izay nihevitra fa na dia ny kitapom-boninkazo aza dia olana i Banu. Hilaza zavatra toy izao izy ireo: “Hahita anao ny mpiara-monina, inona no holazain'izy ireo? Mahamenatra tokoa izany!” hoy i Banu tamin'ny resaka nataony tamin'i Chaikhana Media.
Rehefa tonga tamin’ny taona tsy maintsy nanaovana raharaha miaramila, nandresy lahatra azy ny renin’i Banu fa tsy maintsy manompo firenena izy. Saingy voafaritry ny fampihorohoroana sy ny fahaketrahana ny fanompoany ara-miaramila. Ankoatra ny fanenjehana sy ny fampijaliana, dia niezaka nandresy lahatra hanao firaisana ara-nofo koa ny miaramila. Rehefa tsy nety anefa izy, dia nosazian’izy ireo tamin’ny fanakatonana azy tao amin’ny trano fidiovana sy trano fitehirizana entana ary nodarohana izy tamin’ny alina. Nandrahona ny hahita azy sy hamono azy ny iray tamin’ireo miaramila rehefa niala tao amin’ny tafika izy.

 

Nilaza tamin'ny Chaikhana Media i Banu fa niezaka nandresy lahatra azy hanambady tovovavy ny reniny. Saingy na dia teo aza ny ezak'i Banu hanazava fa handratra olona bebe kokoa izany, dia nanahy bebe kokoa momba izay holazain'ny hafa ny reniny. Nanapa-kevitra ny handao ny tranon'ny ray aman-dreniny i Banu ary nifindra tany Tbilisi any Georgia mpifanolo-bodirindrina aminy, izay nanantenany fa tsy hisy hanery azy noho ny maha-izy azy fotsiny. Noraketiny tamin'ny diary ny tolona nataony tamin'ny maha-izy azy sy ny fianakaviany:

06/21/22
It is so strange that after all that my family has done to me, I still feel guilty. I guess I have Stockholm syndrome. I just want to get rid of that odd feeling.
Yesterday I contacted two model agencies in Tbilisi. They require my headshots. I should take them somehow and send them. It can also be a job opportunity. But I guess I am a bit old for modeling.
My alcoholic father wanted to hit me after seeing my new green shopping bag with the pronouns she/they. He was holding a knife. I don't know why. Maybe he wanted to cut me. He just was concerned about the neighbors again.
06/25/22
Today I told my mom that I will leave home soon.

06/21/22
Hafahafa be fa hatramin’izay rehetra nataon’ny fianakaviako tamiko dia mbola mahatsiaro tena ho meloka ihany aho. Heveriko fa manana aretina  Stockholm aho. Te hanala an'io fahatsapana hafahafa io aho.
Nifandray tamin'ny sampan'ny filatroana (modely) roa tao Tbilisi aho omaly. Mitaky ny sarin'ny tarehiko izy ireo. Tokony haka izany aho ary handefa izany. Mety ho asa ihany koa izany. Saingy heveriko fa efa antitra kely aho raha hanao modely.
Te-hamely ahy ny raiko mpisotro toaka rehefa nahita ny kitapo fiantsenako maitso vaovao misy mpisolo anarana izy (vehivavy)/izy ireo. Nitazona antsy izy. Tsy fantatro ny antony. Angamba te hikapa ahy izy. Niahiahy (amin'izay holazain'ny) mpiara-monina indray izy.
06/25/22
Niteny tamin’ny reniko aho androany fa hiala ao an-trano tsy ho ela aho.

Tsy mora ny fifindran-toerana. Tsy maintsy nifindra trano imbetsaka i Banu mandra-pahitany tompon-trano tsara fanahy ary lasa mpinamana izy roa. Tsy mahatsiaro ho manirery ao an-tanàna intsony izy ankehitriny. Tsy mora ihany koa ny fitadiavana asa. Tsy mahay miteny Zeorziana i Banu, ka vao mainka sarotra izany, saingy nanam-bintana ihany izy tamin'ny farany.

Sary avy amin'i Sharaf Nagiyeva. Zaraina amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa.

Talohan'ny nahatongavany tany Géorgie, dia nahita antso misokatra ho an'ny mpanakanto pelaka hanao fampirantiana any Berlin i Banu. Nekena izy ary nandray anjara tamin'ny fampisehoana ny sanganasany  momba ny sary Polaroid. Tany Tbilisi indray, nanasa an'i Banu hanao fampisehoana an-tsehatra ny mpiandraikitra iray tao amin'io fampirantiana io ihany. Nahomby ny fampisehoana nataony tamin'ny filalaovana ny toeran'ny andriamanibavy bibilava Shahmaran izay nivadihan'ny olon-tiany. “Araka ny angano, izay mihinana ny henan'i Shahmaran dia lasa tsy mety maty, ka nilaza tamin'ny mpanjaka ny olon-tiany hilaza ny toerana niafenany, ka namono sy nihinana azy ny mpanjaka,” hoy ny fanazavan'i Banu.

Ary na dia nihevitra aza i Banu fa nandao ny fianakaviany sy ny havany  any Azerbaijan izy, dia tsy mitsahatra mandefa hafatra ho azy izy ireo maneho ny ahiahiny momba ny fiainany vaovao ao Georgia. Indray mandeha, nisy vehivavy Azerbaijaniana sasany mihitsy teny an-dalana nanenjika azy satria tsy faly taminy amin,ny maha-vehivavy nanova fananahana avy any Azerbaijan. Nilaza izy ireo fa mahamenatra izany.

Na izany aza, iray volana taorian'ny nifindrany, dia nahatsiaro ho afaka i Banu. Maneho hevitra malalaka izy na dia mbola mampanahy aza ny fiarovana. Notafihin’ny lehilahy roa teo akaikin’ny tranony vao haingana i Banu. Voadaroka mafy izy. Ary na dia nisy lehilahy antitra iray aza tonga namonjy azy, dia mitady trano akaikin'ny afovoan-tanàna, izay azo antoka kokoa sady vitsy mpankahala pelaka kokoa i Banu ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.