Mitaky ny rariny ny vondrona fiarahamonim-pirenena taorian'ny nahafatesan'ny mpampita radio iray tao Filipina

Various groups joined a candle-lighting protest to call for justice for the killing of a radio broadcaster.

Vondrona isan-karazany nanatevin-daharana ny hetsika fandrehetana labozia mba hitaky ny rariny noho ny famonoana an'i Percy Lapid mpampiely radio. Loharano: lahatsoratra Facebook an'i Bulatlat, tranonkalam-baovao tsy miankina, nahazoana alalana,

Novonoin'ny olona roa tsy fantatra tamin'ny 3 Oktobra tao Las Piñas, Metro Manila, Filipina, ilay mpanao gazety menavazana Percy Lapid, izay Percival Mabasa no tena anarany. Izy no mpanao gazety faharoa nisy namono teo ambany fitondran'ny filoha Ferdinand Marcos Jr., izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny volana Jolay.

Mpaneho hevitra amin'ny onjam-peo i Lapid tamin'ny alalan'ny fandaharana nataony “Lapid Fire” izay mandeha isan'andro ao amin'ny onjam-peo DWBL ary alefa mivantana amin'ny Facebook. Mpitsikera mafy ny governemanta i Lapid izay niresaka momba ny kolikoly, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary ny loza ateraky ny fanovana ny fijery ara-tantara

Niteraka fihetsiketsehana sy fanamelohana niely patrana ny famonoana azy. Nitarika fihetsiketsehana fandrehetana labozia ny Sendikan'ny Mpanao Gazety Nasionalin'ny Filipina satria mitaky ny rariny izy:

The killing shows that journalism remains a dangerous profession in the country. That the incident took place in Metro Manila indicates how brazen the perpetrators were, and how authorities have failed to protect journalists as well as ordinary citizens from harm.

Ny famonoana dia mampiseho fa mijanona ho asa mampidi-doza eto amin'ny firenena ny asa fanaovan-gazety. Manondro ny fahasahian'ireo nahavanon-doza, ary ny tsy fahombiazan'ny manampahefana niaro ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena tsotra amin'ny loza ny zava-nitranga tao Metro Manila.

Nanamarika ny Klioban'ny Gazety Cagayan de Oro fa “nahatonga ireo mpikambana ao amin'ny gazety ho lasibatra mora ho an'ireo vondrona manana tombontsoa manokana izay te hanafina ny marina ny kolontsain'ny tsimatimanota ao amin'ny firenena .”

Nanampy ny feony ny Fikambanan'ny mpanao gazety vahiny ao Filipina amin'ny fandrisihana ny manampahefana mba hitondra ny tompon'andraikitra amin'ny famonoana ho eny amin'ny fitsarana.

Percy's murder underscores the threats and risks Filipino media workers continue to face in the country.

We urge government authorities to bring the perpetrators to justice and put an end to the killings of media practitioners.

Ny famonoana an'i Percy dia manasongadina ny fandrahonana sy ny loza atrehan'ireo mpiasan'ny media Filipiana ao amin'ny firenena.
Mandrisika ireo manampahefana ao amin'ny governemanta izahay mba hitondra ireo nahavanon-doza eny amin'ny fitsarana ary hampitsahatra ny famonoana ireo mpampita vaovao.

Nanome toky ny fianakavian'i Lapid ny sekretera mpanatanteraka ny filoha Marcos fa hamaha ny olana momba ny famonoana ny governemanta. Nivoady ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny Presidential Task Force on Media Security – Tafika Miadidy momba ny fiarovana ny haino aman-jery (PTFOMS):

We at the Presidential Task Force denounce the murder of Percy Lapid and send our deepest condolences to the family, friends and colleagues of the victim. Rest assured that the PTFOMS will not rest until the perpetrators of this heinous crime are brought to justice. There is absolutely no justification for murder.

Manameloka ny famonoana an'i Percy Lapid izahay ato amin'ny Presidential Task Force  ary mandefa ny fiarahanay miory amin'ny fianakaviana, namana sy mpiara-miasa amin'ny niharam-boina. Matokia fa tsy hitsahatra ny PTFOMS raha tsy miakatra any amin’ny fitsarana ireo tompon’antoka tamin’ity heloka bevava mahatsiravina ity. Tsy misy mihitsy ny fanamarinana ny famonoana olona.

MANDRIA AM-PIADANANA. Maty voatifitra ny alatsinainy alina tao Talon Dos, Las Piñas i Percival Mabasa, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Percy Lapid, mpaneho hevitra ao amin'ny radio DWBL.

VAKIO: https://t.co/hS9pH8tHxp pic.twitter.com/Zm3kbXv5Nq

Tamin'ny lahatsoratra iray, nanoratra ny Philippine Daily Inquirer fa afaka manao zavatra bebe kokoa ny filoha mba hiatrehana ny tsimatimanota

The President can also do more than just express “concern” about the killing, as he has so far communicated through a subaltern. His personal condemnation of the crime and vigorous call for justice should speed up police investigation and identification of the perpetrators, and help exact full accountability from them.

Afaka manao zavatra bebe kokoa ny filoha fa tsy vitany hoe maneho ny “fanahiany” momba ny vono olona ihany, araka ny efa nampitainy tamin’ny alalan’ny mpiasany hatramin’izao. Tokony hanafaingana ny fanadihadiana ataon'ny polisy sy ny famantarana ireo nahavanon-doza, ary hanampy amin'ny fandraisana andraikitra feno avy amin'izy ireo ny fanamelohany manokana ny heloka bevava sy ny fitakiany mafy ny rariny.

Nanasongadina ny anjara asa amin'ny fiarovana ny asa fanaovan-gazety malalaka amin'ny demokrasia ny Vaomiera misahana ny Zon'Olombelona:

We have also repeatedly underscored the crucial need to ensure a safe and unimpaired media environment in order to amplify the voices of the most marginalised sectors and to foster balance in communicating the nation’s state of affairs. Journalists, who primarily responsible for informing the Filipino citizenry of critical information, must be able to work without fear.

Nohamafisinay imbetsaka ihany koa fa ilaina ny miantoka tontolo azo antoka sy tsy misy fahasimbana ho an'ny haino aman-jery mba hanamafisana ny feon'ireo sehatra tena voahilikilika kokoa sy hampiroboroboana ny fifandanjana eo amin'ny fampitana ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy afaka miasa tsy amin-tahotra ny mpanao gazety, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampahafantarana ny olom-pirenena Filipiana momba ny vaovao mitsikera.

Nanonona ny famonoana an'i Lapid ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Karapatan mba hampahatsiahivana ny Filankevitry ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona hanomboka fanadihadiana mahaleo tena momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena ary “hanao dingana manapa-kevitra sy manan-danja kokoa mankany amin'ny rariny sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Filipina. ”

Nanome voninahitra an'i Lapid ny senatera mpanohitra Risa Hontiveros:

Sir Percy was a strong dissenting voice that made sure government officials did not become too comfortable with power.

Percy's death, and all the deaths of all other journalists before him, will never silence us. We will never tolerate a society that is afraid of the truth.

Feo manohitra mafy i Sir Percy izay nanome antoka fa tsy mahazo aina loatra amin'ny fitondrana ny manampahefana ao amin'ny governemanta.

Tsy hampangina anay velively ny fahafatesan'i Percy, sy ny fahafatesan'ny mpanao gazety hafa rehetra teo alohany. Tsy handefitra velively amin'ny fiarahamonina matahotra ny fahamarinana izahay.

Nanameloka ny famonoana an'i Lapid ny vondrona media manerantany. Namoaka fanambarana momba ny famonoana ny Masoivohon'i Kanada, Holandy ary Frantsa:

Journalist killings strike at the very core of media freedom & can create a chilling effect that curtails the ability of journalists to report news freely & safely.

Mamely mafy ny fototry ny fahalalahan'ny haino aman-jery ary mety hiteraka voka-dratsy izay manakana ny fahafahan'ny mpanao gazety hitatitra vaovao malalaka sy azo antoka ny famonoana mpanao gazety.

Fanambarana momba ny famonoana ilay mpaneho hevitra amin'ny fampielezam-peo Percival Mabasa (aka #PercyLapid) avy amin'ny @CanEmbPH sy @NLinPhilippines, samy filohan'ny @MediaFreedomC eo an-toerana.

Maneho ny ahiahinay izahay manoloana ny famonoana ilay mpaneho hevitra amin'ny fampielezam-peo Atoa Percival Mabasa (a.k.a Percy Lapid).

Rey Blanco, mpanolotra fandaharana amin'ny radio no mpanao gazety voalohany novonoina teo ambanin'ny governemanta vaovao. Maty voatsatok’antsy tao an-tanànan’i Manibay, Negros Oriental izy tamin'ny 18 septambra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.