Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Desambra, 2017

31 Desambra 2017

Talanjona Tamin'ireo Fasana Mihantona 

Blaogim-Piarahamonina GV

Niaraka tamin'ireo diplaomaty sy ireo ambasadaoro avy any amin'ny firenena maromaro aho nitsidika ireo faritra Kete 'Kesu sy Londa. Hita any amin'ny faritry ny tendrombohitra ireo toerana roa ireo , tsy lavitra an'i Rantepao ao Toraja.

28 Desambra 2017

Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria

Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany mba hankalaza Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.

17 Desambra 2017

Mezcal : Fahaterahana Vaovao Indray Ho an'ilay Zava-Pisotro Nentim-paharazana Meksikàna

Hatrizay, noraisina ho zava-pisotro tsy be mpisafidy, efa lasa hita eny amin'ireo trano fisotroana raitra indrindra eto ambonin'ny tany ny mezcal ankehitriny, miaraka amin'ny fanatsarana mendrika azy.

16 Desambra 2017

Maraoka: Lalàna Momba Ny Fanomezana Anarana, ny Lohataona Mangina Sy Ny Mozika Sufi

Somary nangingina hafahafa ny tontolon'ny bilaogy Maraokana tamin'ity herinandro ity raha niakatra ny mari-pàna ary nivoaka ny kapa. Nanazava ny zava-niseho tamin'ny lohataona tao Fez i Everything Morocco, manoritsoritra ireo sakafo mahafinaritra amin'ny vanim-potoana:

15 Desambra 2017

Ny Show Global Voices Fahadimy

Farany, indro ny fizaran-tantara fahadimy amin'ny Global Voices Show ! 

13 Desambra 2017

Egypta: Fitsidihana Tsy Fahita Firy

Namoaka lahatsoratra tsy fahita firy tao amin'ny gazety Egyptiana tamin'ny taona 1913 izay mivaky toy izao ilay bilaogera Egyptiana egYptianist .......

11 Desambra 2017

Sewell: Tanàndehibe Vakoka Manerantany Ao Shily

Any amin'ny haabontany mirefy 2 000 metatra mahery any amin'ny tendrombohitr'i Andes no misy an'i Sewell . Tanàndehibe fitrandrahana varahina, nanambara izany ho Vakoka Manerantany ny UNESCO tamin'ity taona ity.  Nanazava tantara fohifohy sy ny zava-misy ara-tsosialy ihany koa ny La Libélula

10 Desambra 2017

Ny Paositra Ao Rosia

Eo amin'ny adiny folo eo ny mandeha fiarandalamby mankany Kyiv, Okraina raha miala ao Moskoa, Rosia. Saingy ny taratasy alefa amin'ny Air Mail avy ao Moskoa dia tsy tonga any Kyiv raha tsy efa ho folo andro.

Maraoka: Miresaka Momba Ny Fanahin'i Maraoka sy ny Daroka Baomba

Noho ny lahatsoratra iray tao amin'ny New York Times mitondra ny lohateny hoe "Ny Fanahin'i Maraoka", sahirana miady hevitra momba ny marina amin'ity fanambarana ity ny tontolon'ny bilaogy Maraokana.

08 Desambra 2017

Tontolo Arabo: Saribakoly Manao Saron-doha Voahenjika Tao Tonizia

Saribakoly Barbie amin'ny endriny Silamo Arabo i Fulla. Misaron-doha izy ary tena fitafy nentim-paharazana Silamo no itafiany. Tsy faly noho izany anefa ny bilaogera Ejiptiana Ahmed Shokeir ka nanenjika fatratra sy nanaisotra ity saribakoly ity teny amin'ireo toeram-pivarotana.