Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Jolay, 2017
Manangana Sehatra Fikarakarana Fampiatranoana Vahiny ny Mpiondana Teknolojiam-Baovao Ao Makedonia
Misy andiana mpirevy teknolojia vaovao miantso ny tenan'izy ireo ho 'WeTalkIT' manolotra fomba ahitana toerana maimaimpoana hitoerana mandritra ny Super Cup UEFA hotontosaina ao Skopje ho an'ny mpiondana Manchester United sy Real Madrid.
Moldova: “Taokanto An-drindrina” sy Sary Hafa
Ato anatin'ity angon-tsary ity no ahitàna bebe kokoa amin'ireo sarin'ny dia tany Moldova (254) nopihan'i dittaeva.
Isiraely: Miresaka Amin'ny Mpamily Fiarakaretsaka
Palestiniana any Israely monina ao Acre i Rasha Helwa (milaza ny tenany ho mponina ao Palestina izy), izay nanoratra andian-tsoratra fohy tao amin'ny bilaoginy Zaghroda mitantara ny zavatra tsapany nandritra ny fandehanany fiarakaretsaka itambarana sy nilaza ny maha zava-dehibe ny fiteny - Arabo na Hebreo - izay nosafidian'ny mpamily hifandraisana.
Rosia: Moskoa, Dimampolo Taona Lasa Izay
Nahita raki-tsary tsy fahita firy tao anatin'ny fakon'i Moskoa - Im Flug nach Moskau, avy amin'i Erich Einhorn, ARTIA, 1959 ilay mpisera LJ, fool_4_lifetime- ary ni-scan azy ireo sy nandefa ireo sarin'i Moskoa miisa 60 tao amin'ny fiarahamonina LJ moya_moskva (Moskoako).
Latvia: “Halves”
Trano iray, tontolo roa...ary tanàna niova anarana matetika
Nosy Cayman : Ny Fahasimbana Entin'ny Sambo Mpitatitra Mpizahatany
Miresaka fohifohy mikasika ny iray amin'ireo safidy sarotra izay atrehan'ny fizahantany ara-toekarena madinika ny mpisera Flickr George Chang ao anatin'ny fanazavana sary iray.
Hongria: Ny Paprika Ao Szentes
Hitako ity toerana ity omaly. Moa ve ny tompon'ity trano ity tena tia fatratra ny Paprika ? Sa fomba iray hahazoana vola fanampiny? Na inona na inona antony, ny zavatra azo antoka dia ny hoe, hiafara ho "zava-manitra" an-dakozia maro ao Szentes ireo paprika natao girilandy tsara tarehy (paprikafuzer) ireo.
Manopy Fijery Any Pôlônina: Fotoana Fanamboarana Pączki
Ary mba ahoana no fomba fankalazan'ny firenenareo ny fotoana farany mialoha ny Karemy?
Karnavaly: Lahatsary Avy Amin'izao tontolo Izao
Ny fomba iray ahafantarana ny kolontsaina, dia ny mahita ny fomba fankalazana sy ny antony hankalazana izany. Maro ny firenena manana fety iraisana, dia ny Karnavaly, ary samy manana ny fankalazany izany ny firenena tsirairay.
Libanona: Lohataona, Zavakanto sy Zava-manahirana
Ao Libanona, manomboka amin'ny fomba ofisialy amin'ny 21 Martsa ny lohataona. Izany no mahatonga ny 21 Martsa ankalazaina ho toy ny Andron'ny Reny ao.