Sewell: Tanàndehibe Vakoka Manerantany Ao Shily

(Marihina fa tamin'ny 16 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Any amin'ny haabontany mirefy 2 000 metatra mahery any an-tendrombohitr'i Andes no misy an'i Sewell. Tanàndehibe fitrandrahana varahina, nanambara izany ho Vakoka Manerantany ny UNESCO tamin'ity taona ity. Nanazava tantara fohifohy sy ny zava-misy ara-tsosialy ihany koa ny La Libélula:

Sewell was established at the beggining of this century in Chile by the Braden Copper Company, and was the home of thousands of miners, workers and functionaries who carried out activities related to commerce, health, education and entertainment. Its unique location in the middle of the mountains gave rise to a city full of staircases and twists which adapted themselves to the unusual topography of the area. The buildings also reflected the social stratifications that existed inside the camp, with houses for the miner families and houses for the office workers and “the American population” where the American and Chilean hierarchy lived.

Naorin'ny Orinasa Mpitandraka Varahina Braden tamin'ny fiandohan'ity taonjato ity tao Shily i Sewell, ary fonenan'ireo mpitrandraka an'arivony, mpiasa sy mpiasam-panjakana izay nanao ny asa mifandraika amin'ny varotra, fahasalamana, fanabeazana ary fialamboly. Nahatonga azy ho feno tohatra sy fiolakolahana ny toerana tsy manam-paharoa izay misy ity tanàndehibe ity eo anivon'ny tendrombohitra ary mifanaraka tsara amin'ny endrika ara-jeografikan'ilay faritra. Naneho taratra ny fahasamihafana ara-tsosialy ihany koa ireo tranobe izay misy ao anatin'ny toby, ahitana ireo trano ho an'ny fianakavian'ny mpitrandraka  sy ny trano ho an'ireo mpiasa birao ary ny “mponina Amerikana” izay onenan'reo manampahefana Amerikana sy Shiliana.

Manana lahatsoratra iray momba ny resadresaka mikasika ny fomba fiainana ao Sewell miaraka amin'ireo havana zokiolona izay nivelona tao an-toerana i Mali :

“My uncle got a job for my dad in the hospital and we all moved over there. I loved Sewell so much that I couldn’t be happier. We almost never went down to the city, because Sewell had everything. It had a cinema, a pool, bowling and also a lot of kids!! As time passed, the sons started getting married. In the beginning, there were miners, the professionals and the gringos. Then, they all started mixing. Because they started establishing private schools and high schools, the sons of the gringos got married to the daughters of the professionals or miners, and a lot of gringo last names appeared and the place started filling up with children.”

“Nahita asa ho an'ny raiko tao amin'ny hopitaly ny dadatoanay ary nifindra monina tany avokoa izahay rehetra. Tiako be i Sewell ka tena faly tokoa aho. Tsy nidina tany an-tanàndehibe firy izahay satria nahitana ny zava-drehetra i Sewell. Nisy ny trano fijerena sarimihetsika, dobo filomanosana, ny bowling ary ankizy maro be ihany koa !! Rehefa nandeha ny fotoana, nanomboka nanambady ny ankizy. Tany am-piandohana, ny mpitrandraka, ny manam-pahaizana ary vahiny no nisy tao an-toerana. Avy eo, nanomboka nifangaro izy ireo satria nanomboka ny fananganana sekoly tsy miankina sy sekoly ambony,  nanambady ireo zanakavavin'ny manam-pahaizana sy ny mpitrandraka ireo zanaky ny vahiny ary betsaka ny nanana anarana vahiny ary nanomboka nameno ny toerana ny zaza. “

Nandefa sary mahafinaritra mampiseho ilay tanàndehibe ihany koa i Mali, tahaka ny nataon'i Beatriz Valenzuela, izay nanoratra momba ny zavatra niainany tao amin'ny hopitalin'i Sewell:

I asked the nurse if I could keep the metal cup. In it I used to clean my paintbrushes. My stay in the hospital was long, probably because of my age and the time of year: I was 6 years and it was Christmas. They decide to put me in quarantine because the diagnosis was serious: typhoid. I still remember the bath they gave me to take the fever down and how my head almost exploded. . . . noises in the distance. . . fever.

Nanontany ilay infirmiera aho raha azoko tazonina ilay kaopy metalika. Ao anatin'izany no hanadiovako ny borosy fandokoako. Naharitra ela aho no tao amin'ny hopitaly, angamba noho ny taonako sy ny fotoana tamin'izany taona izany: Krismasy ny andro ary 6 taona aho tamin'izay. Nanapa-kevitra ny hametraka ahy tamin'ny toerana mitokana izy ireo satria fantatra fa aretina henjana no nahazo ahy: tefoedra. Mbola tadidiko foana ny fampandroan'izy ireo ahy mba hampidinana ny tazo sy ny lohako mila hipoaka. . . . . . .reko eny lavitra eny hoe. . . . . . . fanaviana.

Nandritra ny taona volamenany, nanana mponina manodidina ny 15.000 i Sewell. Nitoetra tao am-pon'ny Shiliana nandritra ny fotoana ela ilay tanàndehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.