Egypta: Fitsidihana Tsy Fahita Firy

(Marihina fa tamin'ny 24 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namoaka lahatsoratra tsy fahita firy tao amin'ny gazety Egyptiana tamin'ny taona 1913 izay mivaky toy izao ilay bilaogera Egyptiana egYptianist : “Ny Lalamby Egyptiana Delta Ltd. Ny Zotra Helwan. Fitsidihana tao amin'ny Fasana Isiraelita. Voninahitra ho anay ny mampahafantatra ny besinimaro fa ny momba ny fitsidihana ny Fasana Isiraelita ao Bassatine ny zoma 13 oktobra 1913 dia tapaka fa hisy ny fiarandalamby manokana hiala ao Bab El Louk ary hitodi-doha avy hatrany ho any Bassatine. Tsy hijanona ao amin'ny Garan'i Torah ireo fiarandalamby ireo. Fa nampiasaina izy ireo mba hitaterana ireo mpandeha miala an'i Bab el Louk mivantana mankany Bassatine, tsy misy fiatoana. “

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.