Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Marsa, 2012
Thailandy: Fomba Miavaka Manokana Fandravahana Fiarakaretsaka Ao Bangkok
Noforonina efatra taona lasa izay, ny bilaogy Still Life in Moving Vehicles dia nanasongadina karazan-tsary samihafa mahasondriana amin'ny fanaingoana ireo fiarakaretsaka ao Bangkok. Dale Konstanz, izay nanomboka nanangona ireny sary ireny efa ho taona dimy mahery izao, dia mitantara ny aingam-panahy nanosika azy hanao ilay tetikasa anaty aterineto. Indreto ny sasany amin'ireo sarinà talismans, ireo olo-masina ara-pivavahana, ary sary apetaka maneho resaka politika
Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana
Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora...
Brezila: Niteraka Hetsi-panoherana sy Fanehoan-kevitra ny Fahafatesan'ilay Mpitondra Bisikileta
Ny marainan'ny 2 Martsa 2012, maty voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka tao amin'ny arabe lehibe ao São Paulo, Avenida Paulista i Juliana Dias 33 taona raha iny nitondra bisikileta handeha hiasa iny. Nanaitra mafy ny...
Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy
Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy,...
Sina sy Hong Kong: Raikitra Ny Adin'ny Mpiray Sisintany Tao Anaty Fiarandàlamby
Mpandeha iray no nifamaly tamin'ny mpizaha tany Sinoa avy any amin'ny tanibe izay nihinan-kanina tao anaty fiarandalamby tao Hong Kong, Izany no adin'ny mpiray sisintany nisy farany teo amin'ny Sina sy Hong Kong, teo amin'ny fifaneraseran'i Beijing amin'ny Hong Kong.