Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Novambra, 2017
Carabaos Sy Ny Tanimbary: Topimaso Amin'ny Fiainana Any Ambanivohitr'i Filipina
Amin'ireo sary izay ifampizaràny amin'ny Global voices, tsy ireo sehatra mampiavaka manokana ao amin'ny tanàna iray mpamboly ihany akory no nopihany ho sary, fa angamba koa, mety tsy ho tsy fanahy niniany, ny endriky ny fambolena ao Filipina.
Taiwan: Ireo Trano Ovni
Misy trano tsy misy mipetraka ao Green Bay ao amin'ny faritr'i Taipei. Nantsoin'ny olona maro ao amin'io faritra io hoe 'trano ovni' izy ireo noho ny bika aman'endriny izy ireo .
Tsirim-Panantenàna Amin'ny Famerenana An'i Dominika Amin'ny Laoniny Taorian'ny Rivodoza Maria
"Ho hitanao ny fahasamihafàna goavana amin'ny fiovan'ny tontolo taza-maso taorian'ny tafio-drivotra[...] Eo am-panomanana horonantsary fohy aho, izay antenaina fa haneho ny fiverenan'ny maitso mandrobona amin'ny tontolo tazan'ny masontsika. "
Ondry Iray Natao Sorona Mba Hanakanana Ny Lozam-pifamoivoizana Mateti-pitranga Ao Kyrgyzstan
Nanao sorona ondry iray noho ny fombafomba ireo manampahefana sy mpitondra fivavahana ao an-toerana, ao atsimon'i Kyrgyzstan tamin'ity herinandro ity mba hanantena hanakana ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga manerana ny lalambe ao amin'ny firenena.
Meksika-Etazonia: Lahatsary Avy Amin'ny Andaniny sy Ankilan'ny Sisintany
Frontera Filmmakers dia tranonkala mampivondrona ireo mpamokatra horonantsary avy amin'ny andaniny sy ankilan'ny sisintanin'i Meksika sy Etazonia, izay mirefy 625 kilaometatra manelanelana an'i Arizona sy ny tany efitra Sonoran, ary mampiseho ny hetsiky ny olom-pirenena isankarazany. Ireto misy lahatsary miisa telo izay anisan'ireo atolotry ny tranonkala.
Bitsibitsika Afgàna: Ny Tsy Fandriampahalemana & Fanavakavaham-bolokoditra
Niresaka momba ny tsy fisian'ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena sy ny fipoahana baomba vao haingana ireo bilaogera Afgàna vitsivitsy. Hojerentsika ny vitsivitsy amin'izy ireo.
Mitety An'i Japana Amin'ny Bus … Ao Amin'ny YouTube
Nandeha tany amin'ny faritra farany ambony ka hatrany amin'ny farany ambany tao Japana ny mpisera YouTube iray tamin'ny alalan'ny bus tao an-toerana, ary nandefa ny lahatsarin'ny dia iray manontolo.
Egypta: Mpizahatany Nalaina An-keriny
Vondrona mpizahatany vahiny miisa 15, anisan'izany ny Italiana miisa dimy, no nalaina an-keriny ny alatsinainy tany atsimon'i Egypta. Maneho hevitra ireo bilaogera Egyptiana.
Repoblika Tseky: Hafatra Ho An'i Condoleezza Rice
Nahitana ny taratasy iombonana iray ho an'ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Condoleezza Rice teo amin'ny rindrina iray tao Brno, ilay tanàndehibe Tseky faharoa ....
Paradisa Vaovao Ho An'ny Sarimihetsika Ve I Maraoka ?
Toerana ankafizin'ny mpanatontosa sarimihetsika vahiny efa hatry ny ela i Maraoka. Toy izany ny horonantsary fanta-daza La Dernière Tentation du Christ na ny Lawrence d'Arabie, sy ny horonantsary vao haingana toy ny Détention secrète na ny La Chute du faucon noir, dia samy nampiasa an'i Maraoka ho endri-tanàna avokoa.