Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Septambra, 2012
Shina: Simban'ny Fitrandrahana Arin-Tany Ny Sahan'i Hulunbuir
Ny saha maitson'i Hulunbuir , iray amin'ireo saha kanto any amin'ny Mongolia afovoany, voakaoka noho ny fisian'ny fitrandrahana arin-tany manakaiky io faritra io. Mpiserasera aminà bilaogy Shinoa iray dia manamafy fa tsy fandravàna ny tontolon'ny zava-boahary fotsiny ihany ny asa fitrandrahana fa fandrobàna ny kolon-tsaina ihany koa.
Fanentanana Vaovao Sy Teny Filamatra : Ny Valiny Dia Kolombia
Tamin'ny fiandohan’ny volana Septambra, namoaka lahatsary fanentanana vaovao ny Marca Colombia [es], sampan-draharaha ofisialin’ny governemanta miandraikitra ny marika Kolombia, ahitana teny filamatra hoe “Ny valiny dia Kolombia” [es] izany. Niteraka fanehoan-kevitra marobe tao amin’ny Twitter...
Libanona: Ny Fizahan-Tany No Mandoa Be
Ny korontana politika vao haingana tany an-toerana sy ny fakàna olona an-keriny any Libanona no mampandositra ny mpizaha tany, indrindra ireo avy any Golfa. Naneho hevitra ny amin'ny fivoaran-draharaha ireo mpiserasera amin'ny aterineto