Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Desambra, 2014
Voromby Air Asia Nitondra Mpandeha 162 Niala Tao Indonezia Hoany Singapore Voalaza Fa Nanjavona
Mitodika ao amin'ny nosy Bangka Belitung ao amorontsiraka atsinanan'i Sumatra Atsimo ny manampahefana Indoneziana mba hikaroka ilay voromby nanjavona.
Tsy Mahalala Firy Ny Momba An'i Filipina ? Ireo Tsara Ho Fantatra Ho An'ireo Vao Sambany Hitsidika Anay
Ny mpandrindra ny Global Voices any Azia atsimo-atsinanana, Mong Palatino, dia mandray am-pifaliana ireo mpandray anjara amin'ny Vovonana Iraisam-pirenena ataon'ny Global Voices, amin'ny alalan'ireo torohevitra sy tsara ho fantatra momba ity firenena ity.
Tetikady Hampahombiazana Ny Any An-tanàna Ny An'ireo Shinoa Avy Amin'ny Tanibe “Ratsy Fitondran-tena” Any Ivelany
Taorian'ilay sakoroka nitranga vao haingana tao anaty sidina iray avy ao Shina ho any Hong Kong, nanamafy ny tranonkalam-baovao iray ao Singapore fa ilaina ny toetra 'mitratrevatreva' raha te-hotafita amin'ny fiainna ao amin'ny tanibe.
Tilikambo Manerinerina Manimba ny Sarin'ny Maherifon'ny Firenena ao Filipina
Trano manana rihana 49 an'ny "Torre de Manila" [tilikambon'i Manila] izay nahazo anaram-bositra "Terror de Manila" [horohoron'i Manila] avy amin'ny mpanakiana noho ny fandravàny ny fijerena ny tsangambaton'i Rizal ao amin'ny Luneta Park.
Endriky Ny Fitateram-Bahoaka Azia Atsimo-Atsinanana An-tsaripika
Mpitondra môtô tsy manao aroloha, jeepneys mavesatra loatra, ary mpandeha fiaran-dalamby ambonin'ny tafon'ny kalesy no sasantsasany amin'ny fiara fitateram-bahoaka mahazatra hitantsika an-dalamben'i Azia Atsimo-Atsinanana.
Mampidi-doza Tsotra Izao Ny fanapahan-Dàlana Fahatàny Ao Bangladesh
Matetika ny olona ao Bangladesh no miampita amin'ireo arabe be mpifamoivoy ka mitsofotsofoka eny anelanelan'ny fiara eny, raha tokony hampiasa ireo toerana natao hiampitàny. Sady loza mitatao ho an'ny daholobe ilay fitondrantena no olana ho an'ny fandrindràna ny fifamoivoizana ihany koa
Ny Fifamatorana Lalimpàka Eo Amin'i Jamaika Sy Luke Somers Mpaka Sary Atao An-gazetin'ny Slain
Fantatra sy tian'ny olona manerana ny tany i Luke Somers, ilay mpaka sary fanao an-gazety, maty novonoin'ny Al-Qaida tany Yemen. Akany Jamaikana iray ho famakian-teny, izay nanaovany asa an-tsitrapo, no mahatsiaro ny androm-piainany.
Vietnamiana Mpankafy David Beckham Maneho Ny Tsy Tokony Hitondràna Zazakely Amin'ny Scooter
Nampakatra sarim-behivavy mitondra scooter, maka sary an'i Beckham, nefa tsy manao aroloha sy mitondra zazakely eo anelakelam-peny ilay kintan'ny baolina fandàka, tao amin'ny pejiny Facebook.