Tantara mikasika ny Tsidika tamin'ny Febroary, 2015
Mitsangantsangàna Eny Amin'ireo Lalankely Ao Japana
Nanatevina laharana ny hetsika Slow TV i satobo3104, mpampiasa YouTube, ary nampakatra lahatsary mirakitra ireo fitsangantsangànana namakivaky ireo tanàna tranainy manodidina sy manerana an'i Japana.
Noraofin'i Japana noho ny Tahotra ISIS ny Pasipaoron'ny Mpakasary Iray Miozona ho any Syria
Nitranga izany taorian'ny famonoana mampihoron-koditra nataon'ny ISIS tamin'ireo teratany japoney roa tamin'ny janoary. Misy ankehitriny ao Japana ny fahatsapana manjavozavo fa misy ny toerana tsy azo ekena handehanana.
Tsidiho Amin'ny Alalan'ny Solosainao Noho ny Fisian'ny Google Street View i Bangladesh
Nanomboka niasa tamin'ny 5 Febroary ny Google Street View ao Bangladesh. Namoaka ny fifaliany tamin'ny fahitana ny lungi-ny, fitafy mitovy amin'ny sarong, nipoitra tamin'ny sary (nihantona tao an-davarangana) ny mpisera Facebook iray.
Pejy Facebook Rangoon Revealed “Hilaza ny Tantaran'i Burma, Olona Iray Amin'ny Fotoana Iray”
"Inona ny fotoana tsara indrindra teo amin'ny fiainanao? Raha nanan'anaka voalohany ny vadiko. Inona ny fotoana nampalahelo indrindra? Raha lasa tany amin'ny varo-tsy-mifody izany zaza izany."
Ekoatera Miloko Mavo Mahafinaritra
Ny famonin'ny hazo Guayacan dia midika fa tonga ao Ekoatera ny lohataona, izay mitondra olona an'arivony manerana izao tontolo izao ho tonga ao amin'ny fandravahana ara-boajanahary marevaka indrindra ao amin'ny faritra.